Hijery ny anatiny

Nozaraina maneran-tany Ny Tilikambo Fiambenana No. 2 2020, mitondra ny lohateny hoe “Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra?” nandritra an’ilay ezaka manokana tamin’ny 2023

29 NOVAMBRA 2023
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Notorina Maneran-tany ny Fanjakan’Andriamanitra Nandritra An’ilay Ezaka Manokana Tamin’ny Septambra 2023

Notorina Maneran-tany ny Fanjakan’Andriamanitra Nandritra An’ilay Ezaka Manokana Tamin’ny Septambra 2023

Nanao ezaka manokana hiresahana momba ny Fanjakan’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany tamin’ny Septambra 2023. Ny Tilikambo Fiambenana No. 2 2020 no nampiasain-dry zareo tamin’izany. a Ny lohateniny dia hoe “Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra?” Asehon’ireto fitantarana manaraka ireto hoe inona no vokatr’ilay ezaka manokana tamin’ny olona maneran-tany.

Angletera

Avy any Southport, any Angletera, i Mark. Nihaona tamin’ny vehivavy iray izy sy Flynn, zanany lahy folo taona, tao amin’ny trano voalohany nitorian-dry zareo nandritra an’ilay ezaka manokana. Faly erỳ ilay vehivavy nandray an’ilay Tilikambo Fiambenana avy teny an-tanan’i Mark. Novakiny ilay fanontaniana teo amin’ny fonon’ilay gazety dia hoy izy hoe: “Tena tsy mino aho hoe tonga atỳ ianareo androany! Amin’izao mihitsy mantsy aho no tena mila ny valin’io fanontaniana io.” Sady nitomany izy no nitantara hoe vao maty vao haingana ny zanany lahy dia mitady fampiononana izy. Tonga dia noresahin’i Mark azy ilay fampanantenana hoe mbola hatsangana ny maty. Nihetsi-po be ilay vehivavy, dia nangataka fanazavana fanampiny. Rehefa niverina tany amin’ilay vehivavy i Mark sy Flynn, dia faly be ilay vehivavy sy ny vadiny nahazo an’ilay bokikely hoe Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! Tonga dia nanomboka nianatra Baiboly izy mivady.

Indonezia

Nilahatra tao amin’ny toeram-pitsaboana iray ny rahalahy antsoina hoe Frederick any Indonezia. Nanomboka niresadresaka tamin’ny lehilahy iray niara-niandry tamin’ny zanany lahy tao izy, dia avy eo niresaka momba an’ilay fampanantenana ao amin’ny Baiboly hoe tsy ho ela dia ho zavatra taloha sisa ny aretina sy ny fijaliana. Nasainy novakin’ilay raim-pianakaviana ny tenin’i Jesosy momba ny Fanjakan’Andriamanitra ao amin’ny Matio 6:9, 10, dia avy eo izy nanontany hoe: “Ahoana izany no hanafoanana ny fijaliana?” Namaly ilay lehilahy hoe: “Amin’ny alalan’Andriamanitra sy ny Fanjakany.” Nanontany ilay lehilahy avy eo hoe inona izany Fanjakan’Andriamanitra izany. Tamin’izay mihitsy anefa no voantso ny anaran’ilay zanany lahy dia tsy maintsy nandeha ry zareo. Nomen’i Frederick an’ilay lehilahy haingana ny adiresiny, dia nomeny an’ilay Tilikambo Fiambenana koa izy. Gaga be i Frederick fa ny ampitson’iny ihany ilay lehilahy sy ny maman’ilay ankizilahy kely dia tonga tao am-baravaran-dry zareo. Te hahalala bebe kokoa momba ny soa azo avy amin’ny Fanjakan’Andriamanitra mantsy ry zareo. Faly be i Frederick, dia nifanao fotoana ry zareo mba hanohizana an’ilay resadresaka.

Malawi

Nomen’ny anabavy roa an’ilay Tilikambo Fiambenana ny lehiben’ny tanàna iray any Malawi, dia nanazava ry zareo hoe tsy ho ela dia hitondra maneran-tany ny Fanjakan’Andriamanitra. Nanontany ilay lehiben’ny tanàna hoe: “Izany hoe tsy hanana fanjakana intsony aho ve indray andro any?” Nohazavaina taminy hoe nahoana no hoe ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no vahaolana amin’ny olana mahazo ny olombelona. Hoy izy avy eo: “Tena vaovao tsara izany. Na lehiben’ny tanàna aza aho dia manaiky aho hoe tsy hisy lehiben’ny tanàna hahavita ny zavatra hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra ho an’ny olona eran-tany mihitsy.” Nangataka Tilikambo Fiambenana dimy fanampiny ilay lehiben’ny tanàna avy eo mba hozarainy amin’ny lehiben’ny tanàna hafa. Niteny koa izy hoe efa tsy andriny ny hiresaka bebe kokoa momba ny Baiboly.

Meksika

Nandeha bisy ny anabavy iray any Puebla, any Meksika, dia nahita lehilahy be taona iray. Nanontaniany ilay lehilahy raha azony izarana zavatra mampahery. Nanaiky ilay lehilahy, dia novakin’ilay vehivavy taminy ilay tenin’i Jesosy momba ny Fanjakan’Andriamanitra ao amin’ny Matio 6:9 10. Nanontany ilay lehilahy hoe: “Fa inona moa izany Fanjakan’Andriamanitra izany? Izaho mantsy mbola tsy namaky Baiboly mihitsy sady mbola tsy niresaka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy.” Nasehon’ilay anabavy azy tao amin’ny fitaovany elektronika ilay Tilikambo Fiambenana mba hamaliana ny fanontaniany. Nanomboka nametraka fanontaniana be dia be ilay lehilahy, dia nohazavain’ilay anabavy taminy hoe ahoana no azony ampiasana ny programa JW Library mba hahitana ny valin’ny fanontaniany. Rehefa hitan’ilay lehilahy hoe efa kely sisa ny toerana malalaka tao amin’ny fitaovany, dia nanomboka namafa zavatra tao izy sady niteny hoe: “Mbola zava-dehibe noho ireto ny mianatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra.” Voavakiny hatramin’ny farany ilay Tilikambo Fiambenana mandra-pialany tao amin’ilay bisy, sady efa voadiniky ry zareo ny lesona voalohany ao amin’ilay bokikely hoe Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! Nanaiky hianatra Baiboly koa ilay lehilahy. Nisaotsaotra an’ilay anabavy izy, ary niteny hoe te hanatrika ny fivoriantsika any amin’ny Efitrano Fanjakana.

Nouvelle-Zélande

Tafahaona tamin’ny renim-pianakaviana iray ny rahalahy antsoina hoe Ben, tamin’izy nitory isan-trano tany Nouvelle-Zélande. Nohazavainy tamin’ilay vehivavy hoe tsy ho ela ny Fanjakan’Andriamanitra dia hanamaivana an’izay rehetra miady saina. Hoy ilay vehivavy: “Tena mahagaga hoe tonga eto ianareo androany! Tamin’ny alina mantsy aho tsy nahita tory satria niady saina be momba ny hoavy.” Novakin’i Ben ny Apokalypsy 21:4, dia nohazavainy hoe ahoana no hataon’ilay Fanjakana mba hanafoanana ny aretina sy ny fahafatesana. Nirotsaka ny ranomason’ilay vehivavy. Faly be izy avy eo nandray an’ilay Tilikambo Fiambenana. Efa tsy andriny, hono, ny hamaky an’ilay izy sy hahita fanazavana bebe kokoa.

Soudan Atsimo

Be dia be no te hianatra bebe kokoa momba ny Fanjakan’Andriamanitra tao amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana iray any Soudan Atsimo. Efa ho 1 000 ny boky sy gazety voazara tao anatin’ny adiny roa fotsiny, anisan’izany ilay Tilikambo Fiambenana. Nilaza ny mpitsoa-ponenana iray hoe: “Tena tonga ara-potoana ianareo fa ity mihitsy izao no ilainay!” Hoy koa ny mpitsoa-ponenana iray tamin’ireo rahalahintsika: “Misaotra betsaka anareo nieritreritra momba anay. Fantatray hoe avy lavitra ianareo, fa na izany aza dia mba miverena indray atỳ amin’ny manaraka.”

Taïwan

Vao haingana no nisy afo nandravarava tany Hawaii. Nihaona tamin’ny lehilahy iray kivy be vokatr’iny loza iny ny anabavy roa tany Taïwan. Nisy sary nasehon’ny anabavy iray azy tao amin’ilay Tilikambo Fiambenana. Asehon’ilay sary hoe ho hoatran’ny ahoana ny etỳ an-tany rehefa lasa paradisa. Hoy ilay lehilahy: “Tena tsara be izao raha hoe lasa hoatran’io amin’ny sary io ny tany. Vaovao ratsy foana no heno amin’izao fiainana izao, dia tena mahafinaritra ny maheno an’izany fanantenana mampahery izany.”

Tena tombontsoa be ho antsika rehetra ny nandray anjara tamin’iny ezaka manokana maneran-tany iny, dia nanampy ny olona hahafantatra hoe ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no tena hampionona sy hanome fanantenana ny olombelona.​—Romanina 15:4.

Ho hitanao ao amin’ilay tahirin-tsary eo ambany ny sarin’ny rahalahy sy anabavy avy any amin’ny firenena maromaro nandray anjara tamin’ilay ezaka manokana eran-tany.

a Ny Tilikambo Fiambenana No. 2 2020 no tiana horesahina amin’ny hoe ilay Tilikambo Fiambenana ato amin’ity lahatsoratra ity.

 

Burkina Faso

Costa Rica

Etiopia

Géorgie

Indonezia

Italia

Kenya

Meksika

Nouvelle-Zélande

Panama

Polonina

Ekosy

Korea Atsimo

Taïwan

Togo

Pays de Galles