29 SEPTAMBRA 2022
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA
Ny Didim-pitsarana Farany Navoakan’ny Fitsarana Eoropeanina Mahakasika ny Zon’ny Olona Hifidy ny Fivavahany any Rosia sy Litoania
Namoaka didim-pitsarana farany roa tena lehibe momba an’ilay raharaha mahakasika ny Vavolombelon’i Jehovah ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona (CEDH), tamin’ny 7 Septambra 2022. Nilaza ny CEDH, tamin’ny 7 Jona 2022, fa tsy ara-dalàna ny fandrarana ny Vavolombelon’i Jehovah tany Rosia tamin’ny 2017. Nilaza koa ilay Fitsarana hoe nandika ny Fifanarahana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona i Litoania tamin’ilay raharaha momba ny Rahalahy Stanislav Teliatnikov. Tsy nanaiky hanao miaramila mantsy io rahalahy io noho ny zavatra inoany.
Samy tsy nangataka hampakatra fitsarana tany amin’ny Filan-kevitra Ambony Indrindra ao amin’ny Fitsarana Eoropeanina na i Rosia na i Litoania, mba hamerina handinika an’ilay didim-pitsarana tamin’ny 7 Jona. Samy nahazo toromarika tamin’ny CEDH ireo firenena roa ireo mba hankatò ny didim-pitsarana navoakan’izy ireo. Tafiditra tamin’ilay didim-pitsarana koa hoe tokony handoa onitra amin’ireo olona nanaovany tsy rariny ireo ry zareo.
Niala an-tsitrapo tsy ho mpikambana tao amin’ny CEDH i Rosia tamin’ny 11 Jona 2022, satria tsy te hankatò an’ilay didim-pitsarana. Mbola nisy raharaha hafa anefa, talohan’ny 16 Septambra 2022, nahitana hoe nandika ny Fifanarahana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona i Rosia. Mety mbola handray fanapahan-kevitra momba an’ireo raharaha ireo ny CEDH.
Mivavaka isika mba harahina ireo didim-pitsarana farany navoakan’ny Fitsarana Eoropeanina ireo, ka mba tena hohajaina ny zontsika hanaraka ny fivavahantsika. Amin’izay ny Kristianina tia fihavanana mba “hanana fiainana milamina foana sy tsy ho voahelingelina, sady hahafoy tena tanteraka ho an’Andriamanitra.”—1 Timoty 2:1, 2.