Hijery ny anatiny

11 OKTOBRA 2013
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Programa Vaovao JW Library (Ho An’ny Fitaovana Entin-tanana)

Programa Vaovao JW Library (Ho An’ny Fitaovana Entin-tanana)

Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 7 Oktobra 2013 ny programa JW Library, izay fitaovana fianarana Baiboly. Azo vakina amin’ny alalan’izy io Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, izay nohavaozina tamin’ny 2013, sy ny fandikan-teny dimy hafa, anisan’izany ny Dikan-teny Amerikanina Mahazatra sy ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques (anglisy). Mbola hohatsaraina izy io amin’ny hoavy, mba hahafahana mandika sy mianatra boky ara-baiboly sy gazety ary bokikely. Azo atsofoka amin’ny iPad®, iPhone®, iPod touch®, fitaovana mandeha amin’ny Android™ 2.3 sy ny taorian’izay, ary ny ordinatera sy tablette mampiasa Windows 8 izao ny JW Library. Ho azo vakina amin’ny Windows Phone 8 koa izy io amin’ny hoavy.

Filazam-baovao:

Iraisam-pirenena: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000