Hijery ny anatiny

8 JOLAY 2022
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Sambany vao Nisy Baiboly Amin’ny Fiteny 13 Samy Hafa Niara-nivoaka tao Anatin’ny Faran’ny Herinandro

Sambany vao Nisy Baiboly Amin’ny Fiteny 13 Samy Hafa Niara-nivoaka tao Anatin’ny Faran’ny Herinandro

Niavaka be ny ezaka nataontsika mba handikana Baiboly, satria sambany isika vao namoaka Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny fiteny 13 samy hafa tao anatin’ny faran’ny herinandro, tamin’ny 25 sy 26 Jona 2022. Rehefa namoaka Baiboly mantsy isika hatramin’izay, dia mbola tsy nihoatra ny fiteny enina no navoakantsika tao anatin’ny faran’ny herinandro. Ireto ny mombamomba an’io zava-bita miavaka io:

Fiteny tzeltal

Ny Rahalahy Armando Ochoa, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Amerika Afovoany, no namoaka Ny Soratra Grika Kristianina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, tamin’ny teny tzeltal. Olona 1 400 teo ho eo no nanatrika an’ilay fandaharana noraisina video mialoha. Niara-nivoaka ny Baiboly vita pirinty sy ny Baiboly amin’ny endrika elektronika tamin’izay.

Nilaza ny iray tamin’ny mpandika teny tzeltal hoe: “Rehefa mitodika ny lasa aho, dia hitako tsara mihitsy ny tanan’i Jehovah nitahy an’ilay tetikasa. Tena miaiky amin’ilay zava-bita aho. Fantatray hoe tsy ho vita mihitsy ireny raha tsy nanampy tamin’ny alalan’ny fanahiny i Jehovah.”

Fiteny wayuunaiki

Ny Rahalahy Carlos Moreno, solon-tenan’ny sampan’i Kolombia, no namoaka Ny Soratra Grika Kristianina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao (Matio-Asan’ny Apostoly), tamin’ny teny wayuunaiki. Nalaina video mialoha ilay fandaharana, dia nalefa hojeren’ny mpanatrika 2 000 teo ho eo, tany Kolombia sy Venezoelà. Nivoaka tamin’ny endrika elektronika ilay Baiboly. Mbola hivoaka amin’ny hoavy ny Baiboly vita pirinty.

Fiteny baoulé

Ny Rahalahy Christophe Coulot, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Côte d’Ivoire, no namoaka Ny Soratra Masina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao manontolo, amin’ny teny baoulé. Navoaka nandritra ny fandaharana iray noraisina video mialoha ilay Baiboly, ary nalefa mba hojeren’ny mpanatrika 12 000 mahery. Nivoaka tamin’ny endrika elektronika ilay Baiboly. Amin’ny Oktobra 2022 kosa vao hivoaka ny Baiboly vita pirinty. Sambany tamin’ity vao nisy Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, voadika tamin’ny fitenin’ny olona any amin’ny faritra iandraiketan’ny sampan’i Côte d’Ivoire.

Notantarain’ny mpandika teny iray ny antony nampahazotozoto an-dry zareo nandritra an’ilay tetikasa: “Isaky ny niatrika zava-tsarotra izahay, dia nataonay an-tsaina hoe faly be izao ny mpiara-manompo sy ny olona eny amin’ny faritany rehefa mahazo an’ity Baiboly amin’ny fitenin-dry zareo ity. Dia lasa nahazo hery hanohizana an’ilay asa indray izahay. I Jehovah koa moa nanohana foana!”

Fiteny galoà

Ny Rahalahy Peter Bell, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Grande-Bretagne, no namoaka ny Soratra Grika Kristianina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, amin’ny teny galoà. Narahina nivantana tamin’ny Internet avy tao amin’ny Efitrano Fanjakana iray tany Pays de Galles ilay fandaharana. Olona 2 057 teo ho eo no nanatrika an’ilay fandaharana, tany amin’ny Efitrano Fanjakana nanerana an’i Pays de Galles sy Arzantina. Nivoaka teo no ho eo ny Baiboly amin’ny endrika elektronika, ary amin’ny Desambra 2022 no hivoaka ny Baiboly vita pirinty.

Nilaza ny iray tamin’ny mpandika teny hoe: “Tsy hohadinoiko mihitsy ilay fotoana voalohany nandikanay ny anaran’i Jehovah tao amin’ilay Baiboly. Tombontsoa be ny nanatri-maso an’ilay hoe naverina teo amin’ny toerana tokony hisy azy avy ny anaran’Andriamanitra.”

Fiteny manyawa sy tewe

Ny Rahalahy Marcelo Santos, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Mozambika, no namoaka Ny Baiboly: Ny Bokin’i Matio, tamin’ny teny manyawa sy tewe nandritra ny fandaharana roa noraisina video mialoha. Nalefa tao amin’ny JW Stream sy tamin’ny tele ary radio ilay fandaharana. Navoaka tamin’ny endrika elektronika ilay Baiboly. Efa azo alaina koa ilay Baiboly noraisim-peo. Amin’ny Septambra 2022 no hivoaka ilay Baiboly vita pirinty.

Io no boky ao amin’ny Baiboly voadika voalohany amin’ny teny manyawa, ary vitsy kely ny boky ao amin’ny Baiboly fantatra hoe voadika tamin’ny teny tewe. Handray soa be ny olona hamaky sy hihaino azy io.

Fiteny quechua (Ancash), quechua (Ayacucho), ary quechua (Cuzco)

Nivoaka tamin’ny endrika elektronika ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny quechua (Ancash), quechua (Ayacucho), ary quechua (Cuzco). Ny Rahalahy Marcelo Moyano, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Peroa, no namoaka an’ilay Baiboly. Ireo no teny quechua fampiasan’ny olona indrindra any Peroa. Noraisina video mialoha ilay fandaharana ary nalefa hojeren’ny mpanatrika 7 000 mahery. Amin’ny Oktobra 2022 no hivoaka ilay Baiboly vita pirinty.

Misy tsy itovizany ihany ny tenim-paritra quechua na dia samy teny quechua aza. Tsy maintsy nanaovana fandikan-teny samy hafa àry ireo fiteny ireo, fa raha tsy izany tsy ho azon’ny olona izay lazain’ny Baiboly. Samy nisy ekipa mpandika teny ireo fitenim-paritra quechua ireo, ka samy nifidy teny mora azon’ny olona any aminy ry zareo.

Fiteny ndebele, sesotho (Lesotho), ary sesotho (Afrika atsimo)

Ny Rahalahy Kenneth Cook, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no namoaka an’ilay Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, tamin’ny teny ndebele sy sesotho (Afrika atsimo). Izy ihany koa no namoaka an’ilay Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina tamin’ny teny sesotho (Lesotho). Nisy 28 000 mahery ny mpanatrika an’ilay fandaharana noraisina video mialoha. Nalefa tany amin’ny Efitrano Fanjakana maromaro efa nofidina mialoha, sy tany an-tranon’olona vitsivitsy nanerana an’ilay tany ilay fandaharana. Tonga dia azo nalaina tamin’ny endrika elektronika ilay Baiboly, ary amin’ny Desambra 2022 no eritreretina hamoahana an’ilay vita pirinty. Sambany vao nisy Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao voadika iray manontolo tamin’ny teny ndebele sy sesotho (Afrika Atsimo).

Izao no nolazain’ny mpandika teny iray, momba an’ilay Baiboly: “Tena fitahiana be ho an’ny olona miteny ndebele atỳ amin’ny faritaninay ity fandikan-teny ity, satria naverina tao ilay anarana hoe Jehovah. Sambany ry zareo vao hahafantatra ny anaran’Andriamanitra rehefa hamaky mivantana an’ilay izy ao amin’ny Baiboliny.”

Fiteny ndebele (Zimbabwe)

Ny Rahalahy Shingirai Mapfumo, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Zimbabwe, no namoaka an’ilay Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao manontolo tamin’ny teny ndebele (Zimbabwe), amin’ny endrika elektronika. Amin’ny Jolay 2022 kosa no hivoaka ny Baiboly vita pirinty. Nalefa tany amin’ny Efitrano Fanjakana nanerana an’i Zimbabwe ilay fandaharana noraisina video mialoha, ary 8 700 mahery no nanatrika an’ilay izy.

Marina hoe misy Baiboly maromaro amin’ny teny ndebele (Zimbabwe), fa mazava kokoa anefa ny fahamarinana ampianarin’ny Baiboly ato amin’ity fandikan-teny ity. Ao amin’ny Baiboly hafa amin’ny teny ndebele, ao amin’ny Jaona 17:3, ohatra, natao hoe ilay “Tena Andriamanitra” i Jesosy Kristy. Havahana tsara anefa i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Nilaza ny mpandika teny iray hoe: “Mampiasa ny teny fampiasan’ny olona andavan’andro mihitsy ity fandikan-teny ity.”

Faly isika mahita hoe afaka mahazo ny Tenin’Andriamanitra ny olona tso-po maneran-tany. Lasa afaka ‘misotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina’ amin’ny fiteniny izy ireo.​—Apokalypsy 22:17.