Hijery ny anatiny

Ny Anabavy Mieko Yoshinari any Japon. Soratany ngezabe amin’ny taratasy ny valin-teniny fa tsy mahita tsara izy

28 APRILY 2021
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Sambany vao Nisy Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana Tamin’ny Vidéoconférence

Sambany vao Nisy Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana Tamin’ny Vidéoconférence

Noho ny valanaretina, dia natao tamin’ny vidéoconférence ny sekolin’ny mpisava lalana rehetra maneran-tany, nandritra ny taom-panompoana 2021. Izay vao nisy an’izany hatramin’izay! Niezaka be ireo mpisava lalana voasa, mba ho afaka hanatrika an’ilay izy. Faly be mantsy ry zareo tamin’io fandaharana vaovao io. Hojerentsika hoe inona avy ny olana natrehin’ny mpisava lalana sasany, dia ahoana no nanampian’i Jehovah an-dry zareo, mba ho afaka hanatrika an’ilay sekoly.

Efa mpisava lalana maharitra nandritra ny 30 taona ny Anabavy Mieko Yoshinari, any Japon. (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.) Tsy mahay mampiasa fitaovana elektronika izy, sady tsy dia mahita tsara. Na teo aza izany, dia vonona hanatrika an’ilay sekoly ihany izy. Hoy izy: “Nanomana valin-teny aho. Nanao fikarohana aloha aho, dia nosoratako ny hevitra hitako. Nosoratako ngezabe tamin’ny taratasy ilay izy, amin’izay hitako tsara rehefa hamaly teny aho. Tamin’ny alalan’iny sekoly iny no nampaherezan’i Jehovah sy nanatanjahany ahy.”

Mpikarakara tarehy sy volo no asan’ny Anabavy Anita Kariuki, mipetraka any Thika, any akaikin’i Nairobi, any Kenya. Io no asa tapa-potoana hahafahany manao mpisava lalana. Nakatony herinandro be izao ilay trano fiasany rehefa hanatrika an’ilay sekoly izy. Nanahy izy tamin’ny voalohany, nefa natoky tanteraka hoe hanampy azy i Jehovah. Niteny izy hoe: “Nivavaka be tamin’i Jehovah aho dia nangataka ny fanampiany. Napetrako teo an-tanany ilay olana, dia notohizako ihany ny fanompoako.” Nahazo vola hividianana ny ankamaroan’ny zavatra nilainy izy, tamin’ny faran’ny herinandro talohan’ilay sekoly. Mbola tsy ampy 30 dolara amerikanina ny vola nilainy, fa nanatrika an’ilay sekoly ihany izy. Rehefa avy nanatrika an’ilay fandaharana izy ny alarobia, dia nisy olona niantso azy hoe handoa ny trosany. Nahagaga fa ilay vola nilain’i Anita mihitsy no naloan’ilay olona.

Nisy rivo-doza nantsoina hoe Eta sy Iota, tany Yoro, any Honduras. Tondraky ny rano ny tranon’ny Anabavy Laurenth Madrigales, ka lasa nisy fotaka be efa ho iray metatra ny halaliny. Simba ny ankamaroan’ny fananan’izy mianakavy. Tsy maintsy niala vetivety tao amin’ilay trano ry zareo. Tamin’izay fotoana izay mihitsy anefa i Laurenth no naharay fanasana hanatrika an’ilay sekoly. Faly be izy, nefa nanahy ihany hoe sao dia tsy ho vitan’izy mianakavy ny hanadio an’ilay tranony, alohan’ilay sekoly. Nilaza izy hoe: “Vao maraina be izahay dia efa nanomboka nanadio an’ilay trano, dia tsy nijanona mihitsy raha tsy alina be. Izany foana no nataonay nandritra ny andro maromaro. Reraka be foana aho. Nieritreritra aho hoe tena tsy nanana hery hanomanana an’ilay sekoly aho, dia niteny tamin’ny anti-panahy hoe tsy ho afaka hanatrika an’ilay izy.” Nalahelo be izy hoe tsy ho afaka amin’ilay izy, dia nivavaka tamin’i Jehovah. Tsy nampoiziny hoe ho tonga hanadio ny tranony ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky, andro vitsivitsy talohan’ilay sekoly. Lasa afaka nanomana an’ilay sekoly izy, ary afaka nanatrika an’ilay izy tao an-tranony.

Ny Anabavy Laurenth Madrigales, any Honduras, sy ilay tranony simban’ny rivo-doza, talohan’ilay izy nodiovina

Mpisava lalana maharitra any Cleveland, any Etazonia ny Rahalahy Spencer Stash sy Alexandra vadiny. Niditra hopitaly i Robert, dadan’i Spencer, taloha kelin’ilay sekoly. Efa maty vady io dadany io. Nieritreritra izy mivady hoe tsy ho afaka hanatrika an’ilay izy. Nampirisika an-dry zareo hanao an’ilay sekoly anefa ilay dadany. Nampalahelo fa maty i Robert roa andro talohan’ilay sekoly. Tena nalahelo be i Stash mivady, kanefa ny andro voalohany tamin’ilay sekoly ihany no tsy natrehin-dry zareo. Nivavaka mafy i Stash mivady, dia nahazo hery namitana an’ilay sekoly hatramin’ny farany. Niteny i Spencer hoe faly izy mivady satria nanaraka ny tenin’ny dadany. Nilaza koa izy hoe: “Tsy andrinay ny hiteny an’i Dada hoe nanatrika an’ilay sekoly ihany izahay. Hotantarainay azy ny zavatra sasany nianaranay nandritra an’ilay izy. Nanohana be anay ny mpampianatra sy ny mpiara-mianatra, ary izany mihitsy no nilainay.”

Avy any Korea Atsimo ny Rahalahy Jung Dae-sik. Efa ho folo taona izy no nipetraka any amin’ny toerana fitaizana be antitra. Tapaka lalàn-dra izy dia lasa malemy ny ilan’ny vatany. Mampiasa seza misy kodiarana àry izy. Efa voasa hanao sekoly ihany izy taloha, fa narary dia tsy vitany hatramin’ny farany foana ilay izy. Tsy maintsy nijanona izy vao tapitra ny andro voalohany tamin’ilay sekoly. Faly be mihitsy izy rehefa voasa hanao an’ilay sekoly amin’ny vidéoconférence. Hoy izy: “Faly be aho fa nisy an’io fandaharana io, dia tsy tanako intsony ny ranomasoko. Tsy ho afaka hanatrika ny sekolin’ny mpisava lalana mihitsy mantsy aho raha tsy nisy an’io. Tena faly aho hoe afaka nanatrika an’ilay izy.”

Ny Rahalahy Jung Dae-sik any Korea, manatrika sekolin’ny mpisava lalana any amin’ny trano fitaizana be antitra

Ny Rahalahy Eddy El Bayeh sy Cherise vadiny, mpisava lalana maharitra any Aostralia

Mipetraka any Nouvelle-Galles Atsimo, any Aostralia ny Rahalahy Eddy El Bayeh sy Cherise vadiny. Nilaza i Cherise hoe: “Tsy nandeha mihitsy ny fanompoako. Lasa fahazarana fotsiny ilay izy, nefa tsy haiko hoe ahoana no mba hampazotozoto ahy amin’ilay izy.” Tena nanampy be azy ilay sekoly. Nilaza ihany izy hoe: “Nahita fomba maromaro hanatsarako ny fanompoako aho, na dia voafetra ihany aza ny azoko atao.”

Nampahery an’i Eddy koa ilay sekoly. Nilaza izy hoe: “Hoatran’ny hoe namihina be an’ahy i Jehovah, dia nipaipaika moramora ny soriko sady niteny hoe: ‘Tsara be ny ataonao fa tohizo! Ho eo foana aho hanohana anao. Tena tiako koa ianao, dia karakaraiko foana.”

Mbola hisy sekolin’ny mpisava lalana hafa hatao amin’ny vidéoconférence amin’ity taona ity. Mampahery ny mahita hoe na misy zava-tsarotra aza, dia mbola mampiofana ny vahoakany foana i Jehovah. Tena marina ny tenin’i Joba hoe: “Jereo fa misandratra Andriamanitra noho ny heriny; Iza no mba mpampianatra mitovy aminy?”​—Joba 36:22.

Aseho eto ambany eto ny sarin’ny mpampianatra sy ny mpianatra tany amin’ny tany samihafa, nandritra an’ilay sekoly natao tamin’ny vidéoconférence.

ARZANTINA: Mpianatra manao fampisehoana amin’ny vidéoconférence. Mampiseho ny fomba fitory tsy ara-potoana, any anaty fitateram-bahoaka ry zareo

CAMEROUN: Ny Rahalahy Guy Leighton, anisan’ny mpampianatra tamin’ilay sekolin’ny mpisava lalana, sy ny misionera iray nanompo tany Cameroun nandritra ny 12 taona. Mampiseho ny sarin’ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty amin’ny mpianatra ry zareo, mandritra ny lesona momba ny fandikan-tenin’ny Baiboly

GRESY: Ny Rahalahy Takis Pantoulas, mpiandraikitra ny faritra, any amin’ny fiangonana maromaro any Gresy afovoany, mampianatra amin’ilay sekolin’ny mpisava lalana

ITALIA: Ny iray amin’ny sekoly 5 tamin’ny sekolin’ny mpisava lalana amin’ny teny anglisy, natao tany Italia

MEKSIKA: Mpianatra sasany nanatrika an’ilay sekoly, mampiasa ny bokin’ny sekoly vaovao amin’ny fiteny tzotzi, ilay fiteny fampiasa any fanjakan’i Chiapas. Io no sekolin’ny mpisava lalana voalohany natao tamin’ny teny tzotzi ranoray

SRI LANKA: Ny Rahalahy Nishantha Gunawardana sy Shiromala vadiny. Mpisava lalana manokana izy mivady ary nanatrika an’ilay sekolin’ny mpisava lalana

TANZANIA: Ny Rahalahy William Bundada, anti-panahy any Zanzibar, mipetraka amin’ny toerana hahazoana Internet eny an-tokotany