23 JOLAY 2021
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA
Sivifolo Taona Izao no Nitondrantsika ny Anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah
Tamin’ny alahady 26 Jolay 1931, dia nanao lahateny tamin’ny fivoriambe iray tany Columbus, any Etazonia, ny Rahalahy Joseph Rutherford, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower Bible and Tract Society. Nisy 15 000 mahery ny mpanatrika tamin’izay. Nalefa tamin’ny radio 450 mahery maneran-tany ny fandaharana sasany. Sambany tamin’io vao nisy radio be dia be miara-mandefa zavatra iray ihany. Nisy fanapahan-kevitra manan-tantara naroson’ny Rahalahy Rutherford, tamin’izay, mba holanina. “Anarana Vaovao” ny lohatenin’izy io. Izao no anisan’ny voalaza tao: “Tiantsika ny ho fantatra sy hantsoina amin’ny anarana hoe vavolombelon’i Jehovah.’ (Jereo ilay efajoro hoe “ Ilay Fanapahan-kevitra Nolanina.”) Namaly mafy be hoe “Eny!” ny mpanatrika, ary nisy tehaka nirefodrefotra avy eo.
Izao no nolazain’ny Rahalahy Arthur Worsley, izay navoaka tamin’ny 1986 ny tantaram-piainany: “Tsy hohadinoiko mihitsy ny horakoraka sy ny tehaka nanerana an’ilay toeram-pivoriana.”
Naheno an’ilay fanapahan-kevitra nalefa tao amin’ny radio ny mpiara-manompo sasany tany an-tany hafa. Izao no tsaroan’ny Rahalahy sy Ranabavy Barber tany Aostralia: “Tonga dia nitsangana izahay tatỳ Melbourne vao nahare an’ilay tehatehaka be tany Amerika, dia nitehaka ela be koa!” Afaka nihaino an’ilay fanapahan-kevitra koa ny olona vitsivitsy tany Japon, anisan’izany ny Ranabavy Matsue Ishii. Izao no nosoratany tatỳ aoriana: “Faly be koa izahay ka nihorakoraka hoatran’ireo mpiara-manompo aminay tany Amerika.”
Nisy nilaza hoe nanisy takelaka fiarahabana tonga soa an’ireo Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena ny mpivarotra tao Columbus, toerana nanaovana an’ilay fivoriambe. Nosoloan-dry zareo anefa ilay izy, ka nataony hoe: “Tonga Soa Ianareo Vavolombelon’i Jehovah.” Namoaka vaovao momba ny fivoriambe ilay gazety hoe The Messenger (Ilay Mpitondra Hafatra), izay navoakan’ny Fikambanana Watch Tower Bible and Tract Society, ka tamin’ny 28 Jolay 1931 io gazety io no nanao pirinty voalohany an’ilay anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah.
Tsy ela taorian’ilay fivoriambe, dia nisy ezaka manokana hitoriana tamin’ny fiteny maro, ka ilay bokikely hoe Ilay Fanjakana, Fanantenana ho An’izao Tontolo Izao no nozaraina. Nisy an’ilay fanapahan-kevitra momba ilay anarana vaovao tao amin’io bokikely io. Dimy tapitrisa mahery ny bokikely voazara tao anatin’ny roa volana sy tapany, ka mpitondra fivavahana sy manam-pahefana ary mpandraharaha maro no nahazo.
Izao no tsaroan’ny Rahalahy Martin Poetzinger: “Gaga ny olona teny am-baravarana rehefa nilazanay hoe: ‘Tonga eto aminao aho androany satria Vavolombelon’i Jehovah.’ Nanaiky izy ka nanetsiketsika kely ny lohany, na koa nanontany hoe: ‘Fa mbola mpianatra ny Baiboly ihany ianareo, sa tsy izany?’ ” (Jereo ilay efajoro hoe “ Karatra Mampahafantatra ny Anaran’i Jehovah.”) Izao anefa no nosoratan’ny Rahalahy Poetzinger momba ny zava-nisy tatỳ aoriana: “Be ny fiovana! Mbola tsy miteny akory aho dia efa miteny ny olona hoe: ‘vavolombelon’i Jehovah ianao.’ ”
Nanatrika an’io fivoriambe tamin’ny 1931 io koa ny Rahalahy A. Macmillan. Izao no nosoratany tatỳ aoriana, rehefa nanazava izy hoe tena mety ilay anarana: “Tena tsara ilay hevitra raha ny fahitako azy satria hitan’izao tontolo izao amin’io anarana io hoe inona no ataontsika ary inona no tanjontsika. Mpianatra ny Baiboly no niantsoana antsika taloha, satria izany mihitsy no nataontsika. Rehefa nisy olona avy amin’ny firenen-kafa niara-nianatra tamintsika, dia nantsoina hoe Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena isika. Vavolombelon’i Jehovah Andriamanitra anefa isika izao, ary hitan’ny olona amin’io anarana io hoe iza isika ary inona no ataontsika.”
Reharehan’ny olona an-tapitrisany eran-tany izao ny antsoina hoe Vavolombelon’i Jehovah.—Isaia 43:10-12.