Hijery ny anatiny

Toeram-pahatsiarovana ao amin’ilay toby fitanana any Dachau sy ilay taratasy nalefa tany amin’ny Filoham-pirenena Putin

2 JONA 2021
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Takin’ny Fikambanana Iray hoe Tokony Hajanon’i Rosia ny Fanenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah

Takin’ny Fikambanana Iray hoe Tokony Hajanon’i Rosia ny Fanenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah

Takin’ny Lagergemeinschaft Dachau hoe tokony hajanon’ny manam-pahefana any Rosia ny fanenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah any. Fikambanana naorin’olona tafavoaka velona tao amin’ny toby fitanan’i Dachau ny Lagergemeinschaft Dachau. Nomelohin’io fikambanana io tao anatin’ny taratasy iray nalefa ho an’ny Filoham-pirenena Vladimir Putin, tamin’ny 16 Mey 2021, ny zavatra ataon’i Rosia. Tsy mitsahatra mampijaly ny rahalahintsika mantsy ny firenena rosianina.

Izao no voalaza ao amin’ilay taratasy: “Misy tatitra foana isan’andro hoe nampijalin’ny fanjakana indray ny Vavolombelon’i Jehovah. Ataon’ny Sampan-draharahan’ny Fiarovam-pirenena (FSB) sy ny polisy savahao ny tranon’izay manaraka an’io fivavahana io sady potehiny. Ampijalina sy ampiharana herisetra koa izy ireo. Vehivavy sy lehilahy be dia be no voaheloka hotanana am-ponja mandritra ny fotoana lava be. Mafy ny zavatra iainan’izy ireo any am-ponja, ka mangataka izy ireo mba hohamaivanina izany. Mangataka koa izy ireo mba ho afaka haneho ny heviny. Nolavina foana anefa izany.”

Izao no teny famaranana ao amin’io taratasy io: “Miangavy anao izahay mba hanome ny olom-pirenena rehetra ao Rosia ny zo ananany hanaraka izay fivavahana tiany. Ajanòny amin’izay izao tsy rariny izao!”

Vavolombelona 61 no migadra noho ny finoany any Rosia, tamin’ny Mey 2021. Misy zokiolona amin’izy ireo, anisan’izany ny Anabavy Valentina Baranovskaya, izay 70 taona. Voaheloka higadra roa taona izy. Tapaka lalan-dra izy tamin’ny Jolay 2020. Nolavina tamin’ny 24 May 2021 ny fangatahana fampakarana fitsarana nataon’i Valentina sy Roman Baranovskiy zanany lahy. I Roman koa mantsy nomelohina higadra enin-taona.

Faly isika fa mba misy ihany olona mandinika amin’ny saina tsy miangatra sady sahy mitaky ny hanajanonana ny tsy rariny atao amin’ny mpiara-manompo amintsika any Rosia. Fantatsika fa mbola hamonjy ny vahoakany i Jehovah amin’ny farany.​—Daniela 12:1.