Hijery ny anatiny

Emilia, any Soisa

15 APRILY 2020
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Tanora Mahita Fomba Hitoriana Mandritra ny Valanaretina

Tanora Mahita Fomba Hitoriana Mandritra ny Valanaretina

Asehon’ny tanorantsika maneran-tany hoe tapa-kevitra ny hitory sy hampahery ny mpiara-manompo foana ry zareo rehefa niparitaka ny valanaretina coronavirus.

Mametraka kilalao sy sary eny amin’ny varavarankely ny olona any Nouvelle-Zélande, amin’izay hitan’ny ankizikely rehefa mandehandeha izy ireo. Hararaotin’ny tanora any amin’ny fiangonana maro àry izany mba hampisehoana sarin’i Kaleba sy Sofia, miaraka amin’ny soratra hoe “Jereo ao amin’ny jw.org aho.”

Kaleba sy Sofia eny amin’ny varavarankely, any Nouvelle-Zélande

Ankizivavy sivy taona mipetraka any Soisa i Emilia, ary manana aretina mitaiza satria ambany be ny hery fanefitra ao amin’ny vatany. Mandefa taratasy any amin’ny toerana fikarakarana olona manana aretina mitaiza izy. Tsy azo tsidihina mantsy ilay toerana izao. Asiany sarin’i Noa sy ny sambofiara ao amin’ny taratasy soratany. Hazavainy hoe nihiboka koa i Noa sy ny fianakaviany ary niaro an-dry zareo izany. Ampirisihiny hanao hoatran’i Noa koa izy ireo avy eo, dia hijanona ao amin’ilay toerana misy azy ireo. Te hitsidika mivantana an’ireo olona ao amin’io toerana io i Emilia rehefa tapitra ity valanaretina ity.

Mamaly ny taratasy alefan’i Emilia ny olona sasany dia valiany koa avy eo. Henon’ny mpanao gazety iray ny zavatra ataon’i Emilia dia niresaka momba azy izy tao amin’ny lahatsoratra iray tamin’ny gazety.

Ry Kempf mianakavy, any Kanada

Mifandray amin’ny mpiara-mivory amin-dry zareo foana i Peyton sy Ella Kempf mandritra an’ilay valanaretina. Mpirahavavy izy roa ary mipetraka any Ontario, Kanada. Hoy i Jared, dadan’izy roa vavikely: “Nanao fotoam-pivavahana izahay dia niaraka nanao lisitry ny olona tianay hifandraisana.” Hoy koa i Jessica, maman’izy roa: “Tianay hampianarina azy roa vavy hoe zava-dehibe ny mampahafantatra ny mpiara-manompo sy ny havana ary ny namana hoe tsy manadino an-dry zareo izahay.”

Stella, any Etazonia

Manao hoatr’izany koa i Stella, ankizivavy sivy taona, mipetraka any Colorado, Etazonia. Nanapa-kevitra izy sy ny mamany hoe hiantso ny rahalahy sy anabavy be taona ao amin’ny fiangonan-dry zareo. Nanao lisitra izy mianaka dia nantsoiny an-telefaonina tsirairay ry zareo.

Mivory any amin’ny fiangonana miteny sinoa any Arizona miaraka amin’ny ray aman-dreniny i Jonathan sy Sean McKampson. Mpirahalahy ry zareo ary 12 taona sy 15 taona. Mba hahafahan’izy roa lahy manohy mitory foana dia manoratra taratasy amin’ny teny sinoa ry zareo isa-maraina, alohan’ny hianarany. Sarotra ilay izy sady elaela ihany vao vita satria vao mianatra an’ilay fiteny ry zareo. Tapa-kevitra anefa ry zareo hoe hitory amin’ny olona miteny sinoa.

Jonathan sy Sean, any Etazonia

Misy toerana fikarakarana olona manana aretina mitaiza any amin’ny faritra andrefan’i Michigan. Zatra nankany niaraka tamin’ny reniny sy ny anabavy mpisava lalana iray ny ankizy enina, talohan’ilay valanaretina. Eo amin’ny 2 taona ka hatramin’ny 15 taona ireo ankizy ireo. Tsy navelan’ny manam-pahefana notsidihina anefa io toerana io rehefa niparitaka ny coronavirus. Manao hiran’ilay Fanjakana àry ireo ankizy ireo na mamaky andinin-teny ao amin’ny Baiboly, dia alain’ny ray aman-dreniny video, dia iny no alefan’izy ireo any amin’ilay toerana fikarakarana olona manana aretina mitaiza. Nitantara tamin’ny dadan’ny ankizy iray ny mpiasa tao amin’io toerana io hoe kivy be mihitsy ny marary iray rehefa avy nijery vaovao momba ny olona matin’ny coronavirus. Lasa tony be anefa izy rehefa nijery ny iray tamin’ireny video ireny.

Azo antoka hoe faly i Jehovah mahita an’ireo ankizy sy tanora ireo miezaka mafy mba hampiseho fitiavana amin’olona be dia be. Midera azy koa izy ireo satria mitady fomba hitoriana foana.​—Salamo 148:12, 13.