Hijery ny anatiny

Fanampiana tra-boina any Alemaina (ambony ankavia), tondra-drano any Belzika (ambony ankavanana), zavatra simba any Holandy (ambany)

27 JOLAY 2021
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Tondra-drano Be Nandravarava ny Faritra Andrefan’i Eoropa

Tondra-drano Be Nandravarava ny Faritra Andrefan’i Eoropa

Nisy oram-be nivatravatra tany Belzika, Alemaina, Luxembourg ary Holandy, tamin’ny 13 ka hatramin’ny 17 Jolay 2021. Lasa niakatra be àry ny renirano tany amin’ireo toerana ireo, dia nisy olona maromaro maty. Mbola tsy fantatra daholo hatreto ny habetsahan’ny zavatra simba. Io no tondra-drano anisan’ny mahery indrindra namely an’ireo toerana ireo, tato anatin’ny 100 taona.

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

  • Tsy nisy mpiara-manompo naratra na maty

  • Mpitory 304, fara fahakeliny, no nafindra toerana

  • Trano 100 eo ho eo no simba be

  • Trano 242, fara fahakeliny, no misy simba kely

  • Efitrano Fanjakana 11 no simba

Fanampiana tra-boina

  • Nisy Komitin’ny Vonjy Rano Vaky (KVRV) 4 natsangana, ka ny 1 tany Belzika, ny 2 tany Alemaina sy Luxembourg, ary ny 1 tany Holandy

  • Mandamina ny fomba anadiovana sy anamboarana an’izay simba ny KVRV amin’izao, ka anisan’ny asa mila atao ny manala ny rano sy ny fotaka ao an-trano ary manamboatra an’izay mila amboarina maika

  • Mandamina filasiana vonjy maika sy manome rano fisotro madio ho an’izay tsy maintsy nifindra toerana ny KVRV sy ny anti-panahy eo an-toerana

  • Mampahery an’ireo rahalahy sy anabavy tra-boina amin’ny alalan’ny Baiboly ny mpiandraikitra ny faritra any an-toerana

  • Nisy fivoriana foana na dia tsy natao mivantana aza. Mampionona sy mampahery an’ireo mpitory tra-boina ny rahalahy anisan’ny Komitin’ny Sampana

  • Manaraka tsara ny toromarika momba ny fiarovana amin’ny COVID-19 daholo ireo manampy ny tra-boina

Nanampy anabavy zokiolona iray hifindra toerana ny anti-panahy ao amin’ny fiangonana iray any Holandy. Manana zanakalahy tsy Vavolombelona ilay anabavy. Niantso an’io zanany io ny anti-panahy, dia nilaza taminy hoe salama tsara sady tsy misy atahorana ny reniny. Niteny tamin’ilay mamany izy avy eo hoe: “Mahafinaritra be ny fivavahanareo. Mikarakara tsara anao ry zareo.”

Nandinika ny rahalahintsika nanampy tra-boina ny ekipa mpamono afo anankiray any Belzika. Nidera an’ireo rahalahy ilay ekipa satria nampiasa aro-loza mety tsara ry zareo sady voalamina tsara. Nisy ekipa mpamono afo anankiray koa gaga nandinika ny rahalahintsika any Alemaina, satria nanaraka tsara ny toromarika nomen-dry zareo ireo rahalahy. Nisy iray tamin’ireo mpamono afo ireo nilaza hoe: “Raha mba hoatran’io ekipa io daholo mantsy ny ekipa rehetra a!”

Tena mankasitraka ny fanampiana omen’ny fandaminana ireo rahalahy sy anabavy tra-boina. Ankasitrahan-dry zareo koa izay ataon’ny Filan-kevi-pitantanana mba hanampiana ny vahoakan’i Jehovah ho vonona rehefa misy loza. I Jehovah anefa no tena isaoran-dry zareo satria izy no mahatonga ny vahoakany “hilamina, sady tsy mba hiady saina satria tsy matahotra loza.”​—Ohabolana 1:33.