23 JANOARY 2024
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA
“Tsy Misy Tsy Vitan’ny Manam-pinoana Ange E!”
Tsy ho ela ny Fitsaram-paritr’i Nakhimov any amin’ny tanànan’i Sébastopol dia hamoaka didy momba ny Rahalahy Maksim Zinchenko. Mbola tsy fantatra ny sazy hangatahin’ny mpampanoa lalàna hampiharina aminy.
Ilay voampanga
Matoky isika fa hamaly soa an’i Maksim sy izay rehetra manohy manao ny sitrapony i Jehovah noho izy ireo be herim-po sy miaritra.—Hebreo 10:35, 36.
Zava-nitranga
17 Mey 2023
Nampangaina ho mpanao heloka bevava satria hoe nandray anjara tamin’ny asan’ny fikambanana mampidi-doza
22 Mey 2023
Nosavana ny tranony. Natao famotorana i Maksim sy Karina. Notanana am-ponja vonjimaika i Maksim
24 Mey 2023
Nafahana i Maksim ary nambenana tao an-tranony
12 Jolay 2023
Nanomboka ny fitsarana azy