9 MEY 2022
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA
VAOVAO FARANY: GADRAINA IREO RAHALAHY | Mahavita Miaritra Ireo Fianakaviana any Crimée Noho ny Fanampian’i Jehovah
Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Nakhimovskiy any Sébastopol ny Rahalahy Vladimir Maladyka sy Vladimir Sakada ary Yevgeniy Zhukov, tamin’ny 6 Oktobra 2022. Enin-taona an-tranomaizina no sazin’izy ireo, ary tonga dia mihatra ilay izy.
Zava-nitranga
1 Oktobra 2020
Nanao bemidina tany an-tranon’ny fianakaviana Vavolombelon’i Jehovah sivy any Sébastopol ny polisin’ny FSB, anisan’izany ny tranon-dry Maladyka sy Sakada ary Zhukov. Nahita vovo-dronono tao anaty boaty ny polisy rehefa nisava ny tranon-dry Maladyka. Nolazain-dry zareo fa hoatran’ny “zava-mahadomelina” ilay izy, ka nalefany tany amin’ny toerana fitsaboana aretin-tsaina i Maladyka sy Nataliya vadiny, mba hozahan’ny dokotera. Ny harivan’iny ihany dia nafahana i Nataliya. Notazonina tany amin’ny toerana iray kosa ny Rahalahy Maladyka sy Sakada ary Zhukov. Nalefa mba hotanana am-ponja vonjimaika ry zareo ny ampitso
23 Martsa 2021
Nafahana ny Rahalahy Sakada ary nambenana tao an-tranony. Nisy fitaovana kely napetaka tamin’ny vatany, mba hahafahana manara-maso ny toerana alehany. Tsy azony natao koa ny nampiasa Internet, nitelefaonina, na niresaka tamin’ireo rahalahy hafa voampanga
30 Martsa 2021
Nafahana ny Rahalahy Maladyka ary nambenana tao an-tranony
17 Mey 2021
Nafahana ny Rahalahy Zhukov rehefa avy notanana am-ponja vonjimaika nandritra ny fito volana mahery, ary nambenana tao an-tranony
30 Septambra 2021
Nanomboka ny fitsarana azy ireo
Ireo voampanga
Matoky isika fa hataon’i Jehovah matanjaka ny fon’ireo rahalahy ireo sy ny an’izay rehetra miatrika fanenjehana any Crimée.—1 Tesalonianina 3:12, 13.