Hijery ny anatiny

Ankavia: Rahalahy Yuriy Gerashchenko sy Irina vadiny. Ankavanana: Rahalahy Sergey Parfenovich sy Marina vadiny

9 JANOARY 2024 | VAOVAO FARANY: 3 JOLAY 2024
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA IREO RAHALAHY | Tapa-kevitra ny Tsy Hiala Amin’i Jehovah

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA IREO RAHALAHY | Tapa-kevitra ny Tsy Hiala Amin’i Jehovah

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Krasnogvardeyskiy, any amin’ny Repoblikan’i Crimée, ny Rahalahy Yuriy Gerashchenko sy Sergey Parfenovichhe, tamin’ny 1 Jolay 2024. Samy nomena sazy mihantona enin-taona ry zareo. Tsy voatery higadra aloha izy ireo amin’izao.

Ireo voampanga

Matoky isika fa hotohanan’i Jehovah foana i Yuriy sy Sergey ary izay rehetra tsy mivadika aminy. Toy ny hoe ‘afeniny eo ambany aloky ny elany’ izy ireo.​—Salamo 17:7, 8.

Zava-nitranga

  1. 19 Septambra 2022

    Nampangaina ho mpanao heloka bevava i Sergey

  2. 28 Septambra 2022

    Anisan’ny trano valo nosavan’ny polisin’ny FSB ny tranon’i Sergey, ary notanana vonjimaika tany amin’ny trano iray izy

  3. 30 Septambra 2022

    Notanana am-ponja vonjimaika i Sergey

  4. 15 Novambra 2022

    Nafahana avy tany am-ponja i Sergey ary nambenana tao an-trano

  5. 22 Martsa 2023

    Nampangaina ho mpanao heloka bevava i Yuriy. Nosamborina izy, nalaina am-bavany, ary notanana am-ponja vonjimaika

  6. 24 Martsa 2023

    Nafahana i Yuriy ary nambenana tao an-trano

  7. 12 Jolay 2023

    Tsy nambenana tao an-trano intsony i Sergey sy Yuriy, fa tsy navela hanao dia lavitra

  8. 28 Jolay 2023

    Nanomboka ny fitsarana azy ireo. Nampangain’ny mpampanoa lalàna i Sergey sy Yuriy hoe mbola manohy “manao heloka bevava sady mandrahona an’izay vavolombelona nahita an-dry zareo.” Mbola nasain’ny mpitsara nambenana tao an-trano indray izy mirahalahy, na dia tsy ampy aza ny porofo niampangana azy ireo