Hijery ny anatiny

Rahalahy Aleksandr Dubovenko sy Aleksandr Litvinyuk

8 DESAMBRA 2022
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Voaheloka Higadra Enin-taona ny Rahalahy Dubovenko sy Litvinyuk

Voaheloka Higadra Enin-taona ny Rahalahy Dubovenko sy Litvinyuk

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Armyanskiy ao amin’ny Repoblikan’i Crimée ny Rahalahy Aleksandr Dubovenko sy Aleksandr Litvinyuk, tamin’ny 30 Novambra 2022. Samy voaheloka higadra enin-taona izy roa lahy ary nampidirina am-ponja teo no ho eo.

Ireo voampanga

Mampahery antsika ny mahalala hoe eo akaikintsika eo foana i Jehovah na aiza isika na aiza, ary na inona na inona fitsapana atrehintsika.​—Salamo 139:7-12.

Zava-nitranga

  1. 2 Aogositra 2021

    Samy nampangaina ho mpanao heloka bevava izy roa lahy, satria hoe nampiasa programa fanaovana vidéoconférence mba hanaovana asa mampidi-doza

  2. 5 Aogositra 2021

    Nosavana ny tranon’ny fianakaviana Vavolombelon’i Jehovah valo, anisan’izany ny tranon-dry Dubovenko sy Litvinyuk. Nosamborina ny Rahalahy Litvinyuk ary notanana am-ponja vonjimaika

  3. 6 Aogositra 2021

    Nafahana ny Rahalahy Litvinyuk ary nambenana tao an-tranony

  4. 9 Aogositra 2021

    Nosavana fanindroany ny tranon-dry Dubovenko. Natao famotorana i Aleksandr ary nambenana tao an-tranony

  5. 11 Aogositra 2021

    Nampangaina hoe nandamina ny asan’ny fikambanana iray mampidi-doza ny Rahalahy Litvinyuk

  6. 8 Febroary 2022

    Nampangaina hoe nandamina ny asan’ny fikambanana iray mampidi-doza ny Rahalahy Dubovenko

  7. 29 Aprily 2022

    Nanomboka ny fitsarana. Nolavin’ny mpitsara ny fangatahan’ny Rahalahy Litvinyuk ho any amin’ny dokotera sy hahazo fitsaboana tamin’izy nambenana tao an-tranony

  8. 8 Septambra 2022

    Navela hivoaka ny trano izy roa lahy isan’andro manomboka amin’ny fito maraina ka hatramin’ny fito hariva

  9. 30 Novambra 2022

    Voaheloka higadra enin-taona izy roa lahy

a b Talohan’ny didim-pitsarana no natao ny resadresaka tamin-dry zareo.