Hijery ny anatiny

19 FEBROARY 2020
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Zava-baovao ao Amin’ny Programa JW Library Sign Language

Zava-baovao ao Amin’ny Programa JW Library Sign Language

Misy zava-baovao miavaka ao amin’ny programa JW Library Sign Language Version 4, nivoaka tamin’ny 15 Febroary 2020. Efa azo jerena izao ny loharanon-kevitra ao amin’ny video iray, ka mora kokoa ny manomana fivoriana sy mikarokaroka ao amin’ny Baiboly.

Efa hatramin’ny ela ny olona mampiasa ny programa JW Library no afaka mamaky lahatsoratra iray sady manokatra andinin-teny na boky hafa voatonona ao amin’ilay lahatsoratra. Sarotra be ho an’ny tenin’ny tanana anefa hatramin’izay ny hoe mijery video iray ianao, dia manokatra ny loharanon-kevitra miaraka aminy, dia avy eo miverina amin’ilay video nojerenao.

Natao rohy ny loharanon-kevitra, ao amin’ny programa JW Library Sign Language, Version 4. Tsindriana indray mandeha fotsiny ilay izy dia hita daholo ny loharanon-kevitra ao amin’ilay video, ary avy eo ianao afaka miverina ao amin’ilay video nojerenao voalohany.

Jereo hoe tsotra kely ny mijery ny loharanon-kevitra ampiasaina amin’ny fivoriana andavanandro

Matoky izahay hoe tena hitondra soa ho an’ny rahalahy sy anabavy mampiasa tenin’ny tanana io zava-baovao io. Manampy antsika hifandray akaiky kokoa aminy i Jehovah ka tena isaorantsika.—Salamo 119:97.

Jereo hoe mifandray amin’ilay “menarana” ao amin’ny Genesisy 3:1 ny Apokalypsy 20:2 ary manampy antsika hamantatra an’ilay “menarana tany am-boalohany”