31 AOGOSITRA 2020
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA
Zavatra Niavaka Nandritra ny Taom-panompoana 2020
Niatrika olana tsy dia nahazatra ny Vavolombelon’i Jehovah, nandritra ny taom-panompoana 2020, ary nisy vokany teo amin’ny fanompoan’izy ireo an’Andriamanitra izany. Niharihary foana anefa hoe tapa-kevitra ny tsy hivadika amin’i Jehovah sy hiray saina foana izy ireo.
Ny olana vokatr’ilay valanaretina COVID-19 no tena ngeza indrindra tamin’izany. Niteraka olana mbola tsy hitan’ny olombelona hatramin’izay mihitsy mantsy io valanaretina io, sady amin’izay naneran-tany mihitsy.
Tonga dia nanao an’izay fanovana nilaina ny Vavolombelon’i Jehovah, nandritra an’ilay valanaretina. Nahita hevitra vaovao mba hivoriana sy hifampaherezana ary hitoriana ny vaovao tsara ry zareo.
Ireto avy ny sasany tamin’ny “tatitra tsara” voaray, nandritra an’iny taom-panompoana somary niavaka kely iny.—Ohabolana 15:30.
Baiboly Navoaka
Nandritra ny taom-panompoana, dia navoaka tamin’ny fiteny 36 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao manontolo na ny ampahany aminy. Noho ny fepetra mifandray amin’ny COVID-19, dia betsaka tamin’ireo Baiboly ireo no navoaka tamin’ny endrika elektronika, ary narahina tamin’ny alalan’ny video na visioconférence ny fandaharana namoahana azy. Misy amin’ny fiteny 193 izao ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao manontolo na ny ampahany aminy.
Vaovao Farany avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana
Nanomboka tamin’ny 18 Martsa 2020, dia namoaka video manokana iray isam-bolana mifandray amin’ny valanaretina COVID-19 ny Filan-kevi-pitantanana, ary hita ao amin’ny tranonkala jw.org sy ao amin’ny programa JW Library ireo video ireo.
Nilaza ny Rahalahy Stephen Lett tao amin’ilay video voalohany hoe na dia mampiady saina aza io valanaretina io, dia manaporofo izy io fa “efa amin’ny tapany farany amin’ny andro farany isika izao. Raha ny marimarina kokoa, dia hoe efa amin’ny tapany farany amin’io tapany farany io!”
Na dia tena sarotra aza ny fiainana amin’izao fotoana izao, dia hoy ny Rahalahy Lett hoe: “Tsy tokony ho taitaitra isika vahoakan’i Jehovah.”
Misy tatitra mampahery avy any amin’ny firenena samihafa maneran-tany amin’ireny video ireny. Hita amin’ireny tatitra ireny fa tena zava-dehibe ny manaraka ny tari-dalana omen’ny Filan-kevi-pitantanana. Betsaka ny manam-pahefana nidera ny mpiara-manompo amintsika. Tonga mantsy ry zareo dia nankatò ny fepetra rehetra nifandray tamin’ilay valanaretina.
Fahatsiarovana Tena Niavaka
Efa an-taonany maro ny Vavolombelon’i Jehovah no niara-nivory mba hankalaza ny Sakafo Harivan’ny Tompo. Tsy azo natao anefa ny niara-nivory, tany amin’ny toerana maro, tamin’ity taona ity. Samy nanamboatra ny mofo sy nitady ny divay nampiasainy tamin’ny Fahatsiarovana àry ny fianakaviana tsirairay. Narahina tamin’ny alalan’ny visioconférence ny lahatenin’ny Fahatsiarovana.
Tsy afaka nanao visioconférence anefa ny mpiara-manompo tany amin’ny toerana sasany. Hoatr’izany izao no nitranga tany amin’ny sampana 11 tany Afrika. Nalefan’ireo sampana ireo tamin’ny radio sy tele àry ilay fandaharana nandritra ny Fahatsiarovana. Vokatr’izany, dia mpitory 407 000 mahery sy olona liana tsy fantatra isa no afaka nanaraka an’ilay fandaharana.
Fivoriana Nalefa Tamin’ny Tele sy Radio
Nahazo alalana avy tamin’ny Filan-kevi-pitantanana koa ny sampana sasany mba handefa ny fivoriana amin’ny tele sy radio, hoatran’ny natao tamin’ny Fahatsiarovana ihany. Ny tanjona dia hoe mba ho afaka hanaraka ny fivoriana fanao isan-kerinandro amin’ny tele sy radio ny mpitory any amin’ny tany mahantra. Sampana 23 no nanao an’io fandaharana io hatreto. Misy any Afrika, Eoropa, Amerika Avaratra, ary Amerika Atsimo.
Komitin’ny Vonjy Rano Vaky
Be dia be ny rahalahy sy anabavy tsy afaka mahazo an’izay ilainy isan’andro, vokatry ny valanaretina COVID-19. Nisy Komitin’ny Vonjy Rano Vaky 400 mahery natsangana àry maneran-tany mba hizara fanampiana ho an’izay mpitory nila fanampiana. Nahatratra 18 tapitrisa dolara ny vola lanin’ny Filan-kevi-pitantanana tamin’ny fanampiana mifandray amin’ny valanaretina COVID-19, nandritra ny taom-panompoana 2020. Mpitory 330 000 mahery no nahazo fanampiana tamin’izany.
Fivoriamben’ny Vondrom-paritra Nojerena Tamin’ny Alalan’ny Video
Sambany teo amin’ny tantara no hoe nojerena tamin’ny alalan’ny video ny fivoriamben’ny vondrom-paritra. Ny Filan-kevi-pitantanana sy ireo mpanampy azy no nanao ny lahatenin’ny fivoriambe rehetra, ary efa nalaina video mialoha daholo ireo lahateny ireo. Nadika tamin’ny fiteny 500 mahery ireo video ireo avy eo. Natao tao amin’ny tranonkala jw.org sy tao amin’ny programa JW Library ireo lahatenin’ny fivoriambe ireo. Afaka nijery soa aman-tsara an’ilay izy tany an-tranony daholo ny mpitory sy ny olona liana.
Mitohy ny Fanenjehana
Ankoatra an’ilay valanaretina, dia mbola miatrika fanenjehana mafy dia mafy koa ny rahalahy sy anabavy any amin’ny tany sasany.
Tany Rosia izao, dia tranona Vavolombelon’i Jehovah an-jatony no nanaovan’ny fanjakana bemidina tsy ara-dalàna, tamin’ny taon-dasa, dia avy eo ry zareo nosamboriny. Rahalahy sy anabavy 42 no migadra any Rosia amin’izao, ary 2 any Crimée. Taorian’ilay didy navoakan’ny Fitsarana Tampony any Rosia, tamin’ny 2017, dia tranona rahalahy sy anabavy 1 000 mahery no efa nanaovan’ny fanjakana bemidina.
Any Érythrée no betsaka indrindra ny Vavolombelon’i Jehovah migadra. Mahatratra 52 izao ry zareo no any. Anisan’izany i Paulos Eyasu sy Isaac Mogos ary Negede Teklemariam, izay tsy nety nanao miaramila satria tsy neken’ny feon’ny fieritreretany izany. Efa nanomboka tamin’ny 17 Septambra 1994 ry zareo no nigadra. Ankoatra izay, dia rahalahy sy anabavy 26 no efa nigadra nandritra ny folo taona mahery izao.
Mivavaka isika mba ho be herim-po foana ireny rahalahy sy anabavintsika migadra ireny. Fantatsika fa rehefa mahavita miaritra fitsapana izy ireo, dia manaporofo hoe tsy mivadika amin’i Jehovah.—Apokalypsy 2:10.
Niaritra Nefa Tsy Nivadika
Nandritra an’iny taom-panompoana lasa iny, dia nanaporofo ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany hoe tsy mivadika amin’i Jehovah izy ireo. Nitory foana mantsy izy ireo, na dia niova aza ny fomba nanaovany an’izany. Nitady hevitra samihafa mba hifampaherezana koa izy ireo, sady nanaraka tsara ny tari-dalana nomen’ny Filan-kevi-pitantanana sy ny manam-pahefana.
Nahafoy tena ho an’Andriamanitra ny rahalahy sy anabavintsika, ka nanaporofo hoe tena tian’izy ireo ny Mpamorona. Hahavita hiaritra an’ilay fitsapana tena lehibe ho avy koa izy ireo satria tsy mivadika.—Jakoba 1:2, 3.