Hijery ny anatiny

29 NOVAMBRA 2018
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Polisy Rosianina no Manao Bemidina Amin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Crimée

Polisy Rosianina no Manao Bemidina Amin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Crimée

Polisy 200 teo ho eo avy amin’ny Sampan-draharahan’ny Fiarovam-pirenen’i Rosia (FSB) no nanao bemidina tany amin’ny trano valo an’ny Vavolombelon’i Jehovah any Crimée, tamin’ny takarivan’ny zoma 16 Novambra 2018.

Sady taitra no natahotra be ireo Vavolombelon’i Jehovah rehefa niditra tao an-tranony an-keriny ny polisy FSB mitam-piadiana sy misaron-tava. Vavolombelon’i Jehovah roa no niakatra tosidra ka tsy maintsy nampidirina hopitaly. Mampalahelo fa nisy anabavy iray afa-jaza koa.

Rehefa nanao bemidina ny polisy dia natosik’izy ireo teo amin’ny rindrina i Aleksandr Ursu, 78 taona, nazerany tamin’ny tany, ary nofatorany ny tanany. Betsaka koa ny Vavolombelon’i Jehovah nalaina am-bavany.

Ny Rahalahy Sergey Filatov (sary eto ankavanana) irery aloha hatramin’izao no nahazo fitoriana ho nanao heloka bevava. Nandika ny Andininy faha-282.2(1) amin’ny Fehezan-dalàn’i Rosia Momba ny Heloka Bevava, hono, io rahalahy io. Teren’i Rosia hampihatra an’io lalàna io mantsy ny saikinosin’i Crimée. Manan-janaka efatra ny Rahalahy Filatov ary 47 taona izy izao. Izy no Vavolombelon’i Jehovah voalohany any Crimée nampiharana ny lalàn’i Rosia miady amin’ny fikambanana mampidi-doza.

Manahy be ny rahalahintsika satria anaovana bemidina sy enjehina. Matoky anefa isika fa eo i Jehovah hampahery antsika rehetra amin’izao andro farany feno fisedrana izao.—Isaia 41:10.