Hijery ny anatiny

(Havia) Miaro tena isika raha ataontsika madio foana ny toerana kasihin’ny tanana matetika, na ao an-trano na any amin’ny Efitrano Fanjakana; (Afovoany) Mety hitady fomba hafa hitoriana ny mpitory any amin’ny toerana tena iparitahan’ny aretina, ohatra hoe mitory an-telefaonina; (Havanana) Arakaraka ny zava-misy any amin’ny toerana iparitahan’ny aretina, dia mety ho afaka hanome raki-peo na video an’ny fivoriana ho an’ny mpitory ny anti-panahy

3 MARTSA 2020
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Vaovao Farany Momba ny Coronavirus sy Izay Tokony Hatao

Vaovao Farany Momba ny Coronavirus sy Izay Tokony Hatao

Manaraka akaiky ny fiparitahan’ilay aretina vaovao antsoina hoe coronavirus (COVID-19) ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah. Fantatsika hoe hisy areti-mandringana amin’ny andro farany, araka ny efa nolazain’ny Baiboly mialoha. (Lioka 21:11) Rehefa misy aretina miparitaka dia aleo miaro tena sy miaro ny olon-kafa.—Ohabolana 22:3.

Misy amintsika te hahalala hoe manao ahoana ny rahalahy sy anabavintsika any amin’ny toerana tena iparitahan’ilay aretina. Tsy maintsy nanao fanovana be ny biraon’ny sampana sy fiangonana any Italia, Japon, Korea Atsimo, ary any amin’ny firenena hafa, noho ny fiparitahan’ny COVID-19. Tsy maintsy nofoanana ny fitsidihana Betela, any amin’ny biraon’ny sampana sasany. Raran’ny fanjakana koa ny famoriana olona maro, any amin’ny toerana hafa, ka tsy maintsy nofoanan’ny sampana ny fivoriamben’ny faritra. Ankoatra izany, dia tsy maintsy novan’ny fiangonana ny fandaharana momba ny fivoriana sy ny fanompoana, any amin’ny toerana sasany. Mbola mamaky sy mianatra Baiboly foana anefa ny mpiara-manompo amintsika, sady miezaka mifampahery foana.—Joda 20, 21.

Tena manampy an’ireo rahalahintsika tratran’izany ny toro lalana eto ambany. Mety hanampy anao sy ny fianakavianao koa izy ireo raha misy aretina miparitaka any aminareo.

  • Aza taitaitra. Marina hoe mila mitandrina isika rehefa misy areti-mifindra sady mila miaro tena. Tsy tokony hikoropaka noho ny tahotra anefa isika na izany aza.—Ohabolana 14:15; Isaia 30:15.

  • Araho ny toromariky ny fanjakana. Matetika ny manam-pahefana no mametraka lalàna mba hiarovana ny vahoaka. Miezaha hamantatra sy hankatò azy ireny.—Romanina 13:1.

  • Tandrovy ny fahadiovana. Manasà tanana matetika amin’ny rano sy savony na fanasana tanana misy alkaola fa tena zava-dehibe izany. Diovy foana ny toerana kasihin’ny tanana matetika, na ao an-tranonareo na any amin’ny Efitrano Fanjakana. Milaza koa ny dokotera hoe aleo tsy mifandray tanana rehefa misy areti-mifindra, satria vao mainka hanaparitaka an’ilay aretina izany. Manome torohevitra fanampiny hiarovana ny besinimaro amin’ny coronavirus ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana.

  • Asehoy hoe tianao ny olona. Fantatsika rehetra hoe zava-dehibe ny mivory sy manompo. Raha marary anefa ianao, dia aleo tsy mivoaka ny tranonao mba tsy hamindranao aretina amin’ny hafa. Asehonao amin’izany hoe tia olona ianao ary te hiaro ny rahalahy sy anabavy ary ny olon-kafa tsy Vavolombelona.—Matio 22:39.

  • Araho izay fanovana ataon’ny fiangonana. Mety ho voatery hanafoana ny fivoriana sy fivoriambe ary fotoan-dehibe hafa ny biraon’ny sampana, any amin’ny toerana tena iparitahan’ilay aretina. Izany izao no mitranga any amin’ny toerana tena iparitahan’ny virosy COVID-19, ohatra hoe any amin’ny faritra sasany any Italia sy Japon ary Korea Atsimo. Arakaraka ny zava-misy dia mety ho afaka hanome raki-peo na video an’ny fivoriana ho an’ny mpitory ny anti-panahy, mba hojeren’izy ireo any an-tranony. Afaka mitory sy mampianatra an-telefaonina na an-tsoratra koa ny mpitory.