Hijery ny anatiny

8 JOLAY 2013
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Tondra-drano any Eoropa Afovoany

Tondra-drano any Eoropa Afovoany

Nisy tondra-drano tany Alemaina, Aotrisy, Hongria, Repoblika Tseky, Slovakia, ary Soisa vokatry ny oram-be nivatravatra tany Eoropa afovoany, tamin’ny voalohandohan’ny volana Jona. Olona 20, fara fahakeliny, no maty ary 100 000 teo ho eo no voatery nafindra toerana. Araka ny tatitra voaray farany, dia tsy nisy Vavolombelona maty na naratra mafy tamin’ilay loza. Nisy Vavolombelon’i Jehovah tsy maintsy nafindra toerana anefa ka 100, fara fahakeliny, ny tany Alemaina, ary fianakaviana 10 teo ho eo ny tany amin’ny Repoblika Tseky. Nipetraka tany amin’ny havany na tany amin’ny Vavolombelona hafa izy ireo. Efitrano Fanjakana iray no rava tany Alemaina ary iray tany Aotrisy. Nandamina fanampiana ho an’ireo tra-boina ny anti-panahy teo an-toerana, ka nanome izay nilain’izy ireo sy nampahery azy ireo tamin’ny alalan’ny Baiboly.

Filazam-baovao:

Iraisam-pirenena: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Alemaina: Wolfram Slupina, tel. +49 6483 41 3110

Slovakia: Rastislav Eliaš, tel. +421 2 49107611