Hijery ny anatiny

1 AOGOSITRA 2014
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Ezaka Manokana Hampahafantarana ny JW.ORG

Ezaka Manokana Hampahafantarana ny JW.ORG

NEW YORK—Hizara an’ilay taratasy mivalona hoe Iza no Mahavaly ny Fanontaniana Momba ny Fiainana? ny Vavolombelon’i Jehovah mandritra ny Aogositra 2014, mba hampahafantarana an’ilay tranonkala jw.org. Izy io no tranonkala misy amin’ny fiteny betsaka indrindra eran-tany satria azo jerena amin’ny fiteny 500 eo ho eo izy io. Efa ho 700 koa ny isan’ny fiteny azo akana ireo boky sy gazety ao.

Olona iray tapitrisa mahery no mitsidika ny jw.org isan’andro. Misy lahatsoratra sy video ahitana torohevitra mahasoa ny olona rehetra ao, na firy taona izy na firy taona, na inona na inona fiaviany na fari-piainany. Iray amin’izany ilay video hoe Nahoana Ianao no Tokony Hianatra Baiboly? Misy kaody QR ahafahana mijery an’io video io eo amin’ilay taratasy mivalona vaovao. Misy sary tena nisy sy namboarina ao amin’ilay video mba hampisehoana hoe nahoana no tena ilaina ny mianatra Baiboly. Misy amin’ny fiteny 450 mahery izao ilay video. Efa ho in-4 tapitrisa no nisy olona naka azy io tao amin’ny Internet, hatramin’ny namoahana azy tamin’ny 18 Novambra 2013.

Hoy i J. Brown, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny foiben’izy ireo any Brooklyn, any New York: “Faly be izahay hanao an’io ezaka manokana io. Valo tapitrisa eo ho eo ny isanay Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany, ary hiresaka amin’ny olona momba an’io tranonkala io daholo izahay. Io angamba no ezaka manokana lehibe indrindra nataonay hatramin’izay.”

Hoy i Geoffrey Jackson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah: “Roa taona izay no namoahana ny jw.org, ary olona maro eran-tany no nahita hoe tena nanampy azy ireo io tranonkala io. Misy video ho an’ny ankizy sy lahatsoratra ho an’ny fianakaviana mantsy ao. Afaka mamaky Baiboly ao mihitsy aza ianao. Tianay ho betsaka araka izay azo atao ny olona mandray soa amin’ny jw.org, ary izay no nahatonga anay hanao an’io ezaka manokana io.”

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Maneran-tany: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000