Hijery ny anatiny

4 JONA 2014
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Hanomboka ny Fivoriambe Iraisam-pirenena Ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah

Hanomboka ny Fivoriambe Iraisam-pirenena Ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah

NEW YORK—Hanomboka ny zoma 6 Jona 2014 any amin’ny kianja Ford Field any Detroit, any Etazonia, ny fivoriambe iraisam-pirenena telo andro ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Izao no foto-kevitr’ilay fivoriambe: “Katsaho Foana Aloha ny Fanjakan’Andriamanitra!” Hisy ampahany amin’ilay fandaharana halefa mivantana amin’ny alalan’ny Internet any Arizona, Caroline Avaratra, Floride, Illinois, Kalifornia, Missouri, ary New Jersey. Hadika amin’ny fiteny albaney, koreanina, poloney, ary portogey koa ilay izy.

Hoy i J. Brown, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny foiben’izy ireo ao New York: “Efa roatokombolana izao ny Vavolombelon’i Jehovah tao Detroit sy ireo tanàna handefasana mivantana an’ilay fivoriambe no nanasa ny mpiara-monina aminy hanatrika an’io fotoan-dehibe io. Mpanatrika 45000 eo ho eo àry no antenainay ho tonga any Detroit, anisan’izany ny vahiny 2000 mahery avy any Alemaina, Aostralia, Kanada, ary Taïwan.”

Hisy fivoriambe iraisam-pirenena 16 any Etazonia mandritra ireo volana ho avy. Hatao ao amina kianja lehibe any amin’ny tanàn-dehibe folo samy hafa ilay izy. Hisy amin’ireto fiteny ireto ilay fandaharana manontolo na ny ampahany aminy, any amin’ny toerana sasany: Albaney, arabo, armenianina, chuuk, espaniola, frantsay, grika, hindi, iloko, indonezianina, italianina, japoney, kantôney, kreôla any Haïti, koreanina, mandarin, marshall, persianina, poloney, romanianina, rosianina, samoanina, tagalog, Tenin’ny Tanana Amerikanina, twi, ary vietnamianina. Hisy fivoriambe iraisam-pirenena koa any Alemaina, Angletera, Aostralia, Ekoatera, Gresy, Korea Atsimo, Meksika, ary Zimbabwe, manomboka ny Jona 2014 ka hatramin’ny Janoary 2015.

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Maneran-tany: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000