Hijery ny anatiny

16 MEY 2013
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Hanao Fivoriamben’ny Vondrom-paritra Indray Izahay

Hanao Fivoriamben’ny Vondrom-paritra Indray Izahay

NEW YORK—Manomana ny fivoriamben’ny vondrom-paritra fanaony isan-taona izao ny Vavolombelon’i Jehovah. Manao ezaka manokana koa izy ireo mba hanasana ny olona hanatrika an’ilay izy. Izao no loha hevitry ny fivoriamben’ny vondrom-paritra amin’ity taona ity: ‘Ny Tenin’Andriamanitra no Fahamarinana!’ Any Etazonia no atomboka io fivoriambe io mandritra ny volana Mey, ary hitohy maneran-tany hatramin’ny faran’ny volana Desambra.

Hoy i J. R. Brown, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah: “Miavaka ny loha hevitry ny fivoriamben’ny vondrom-paritra amin’ity taona ity, satria manasongadina ny fitsipika arahin’ny fianakaviana Vavolombelon’i Jehovah.” Hoy koa izy: “Eken’ny fianakaviana Vavolombelona fa ny Baiboly no boky azo itokisana indrindra ary ao no ahitana torohevitra tsara amin’izao fotoan-tsarotra izao. Hahasoa ny olon-kafa koa io fandaharana io sady ho tian’izy ireo, satria isan-karazany ny zavatra horesahina mandritra an’ilay izy sady azo ampiharina tsara.”

Nilaza Atoa Brown fa tena zava-dehibe amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fianarana samirery ny Baiboly. Manokana takariva iray isan-kerinandro àry ny fianakaviana Vavolombelona mba hianarana ny Baiboly sy hanaovana fikarohana. Antsoin’izy ireo hoe “Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana” io fandaharana io. Hoy ihany Atoa Brown: “Hisy zava-baovao homena ny tsirairay sy ny fianakaviana amin’ity fivoriamben’ny vondrom-paritra ity, mba hanampiana azy ireo hianatra Baiboly.” Nilaza izy fa izany no “tena handrandrain’ny Vavolombelona isan-taona, amin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra.”

Hita ao amin’ny jw.org, tranonkalan’ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny Internet, ny daty sy toerana rehetra hanaovana an’ilay fivoriamben’ny vondrom-paritra hoe ‘Ny Tenin’Andriamanitra no Fahamarinana!’ Afaka mifandray amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny mpanao gazety, raha te hahazo fanazavana fanampiny, ohatra hoe ny anaran’ny olona azo ifandraisana eo an-toerana raha te hiresaka momba an’ilay fivoriambe izy ireo.

Filazam-baovao:

Iraisam-pirenena: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000