Hijery ny anatiny

30 APRILY 2015
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Hanomboka Amin’ny Volana Mey ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra 2015 Ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah

Hanomboka Amin’ny Volana Mey ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra 2015 Ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah

NEW YORK—Etazonia no hanomboka ny fivoriamben’ny vondrom-paritra 2015, “Tahafo i Jesosy.” Atao ny 22 Mey izany, ary hitohy hatramin’ny Janoary 2016 any amin’ireo toerana maro maneran-tany. Hanao ezaka manokana mandritra ny telo herinandro mialoha ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ireo toerana hanaovana izany, mba hanasana ny olona hanatrika azy io. Tsy misy vidim-pidirana amin’ilay fivoriambe.

Hoy i J. Brown, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny foibe any Brooklyn, any New York: “Asongadin’ilay foto-kevitra amin’ny fivoriambe fa fantatra eran-tany i Jesosy, ary ohatra tsara ho an’ny olona rehetra, na firy taona izy na firy taona, na inona na inona fiaviany na kolontsainy. Matoky izahay fa ho tianareo ny fanazavana momba ny zava-nitranga tamin’ny fiainan’i Jesosy. Miresaka betsaka ny fomba hanahafana an’i Jesosy ny fandaharana rehetra. Anisan’izany ireo video mahaliana sy mahafinaritra izay ahitana ny fomba andraisan-tsoa, rehefa manahaka an’i Jesosy isika eo amin’ny fiainana andavanandro.”

Hita ao amin’ny tranonkalan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny daty sy ny toerana hanaovana an’ilay fivoriamben’ny vondrom-paritra 2015 hoe “Tahafo i Jesosy.” Ireo mpanao gazety mila fanazavana fanampiny, na mitady ny anaran’ny olona azo ifandraisana any amin’ny fivoriambe, dia afaka miantso ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah akaiky azy.

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Maneran-tany: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +17185605000