Hijery ny anatiny

18 SEPTAMBRA 2013
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Programa Vaovao ho An’ny Tenin’ny Tanana

Programa Vaovao ho An’ny Tenin’ny Tanana

Afaka maka sy mandefa video amin’ny tenin’ny tanana avy ao amin’ny jw.org ianao rehefa mampiasa an’ilay programa vaovao hoe JW Library Sign Language. Azonao jerena ireo video nalainao tao na dia tsy mandefa Internet aza ianao. Tsotra ny fomba fiasan’ilay programa sady misy sary milokoloko. Azo alefa amin’ny iPad®, iPhone®, iPod touch®, ary Android™ 3.0 sy izay nivoaka tatỳ aoriana io programa io. Ho azo alefa amin’ny Windows 8 koa ilay izy, amin’ny hoavy.