Hijery ny anatiny

27 SEPTAMBRA 2013
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Fiovana ato Amin’ny jw.org

Fiovana ato Amin’ny jw.org

Hisy fiovana ao amin’ilay fizarana hoe Vaovao sy Momba Anay ato amin’ity tranonkala ity, amin’ny voalohandohan’ny Oktobra 2013. Zavatra mahaliana ny mpanao gazety sy ny mpahay lalàna no hapetraka ao amin’ilay fizarana hoe Vaovao. Hisy rohy vaovao hoe Ny Ataonay ao amin’ny Momba Anay, ary lahatsoratra maro tao amin’ny Vaovao no hiseho ao. Natao hahaliana ny olona te hahafantatra momba ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny zavatra havoaka ao amin’io fizarana io. Hozarazaraina ato amin’ireto lohateny ireto ny tantara sy ny video: Mitory sy Mampianatra, Pirinty sy Fanontana, Fotoana Manokana, Fanorenana, Manampy Olona, Fiainana ao Amin’ny Betela, ary Mampihatra ny Baiboly.