Hijery ny anatiny

27 SEPTAMBRA 2018
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Nafahana Madiodio i Martin Boor, 90 Taona Taorian’ny Nanamelohana Azy

Nafahana Madiodio i Martin Boor, 90 Taona Taorian’ny Nanamelohana Azy

Nogadraina i Martin Boor, 90 taona lasa izay, satria tsy nety nanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Namoaka didy anefa ny fitsarana iray any Slovakia, tamin’ny 18 Septambra 2015, hoe tsy tokony ho nogadraina izy. Maromaro ny raharaha ara-pitsarana nahitana didy novana toy izany, fa ity an’i Martin Boor ity no naharitra ela indrindra, raha ny amin’ireo tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany any Slovakia.

Nomelohina satria be herim-po

Martin Boor tamin’izy nosamborina.

Lasa Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena (Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny) i Martin, tamin’ny 1920, tamin’izy 17 taona. Voantso hanao miaramila izy tamin’ny Oktobra 1924. Tsy nety niditra tao amin’ny tafika izy sady tsy nety nanao fianianana miaramila, noho ny zavatra inoany. Noheverin’ny manam-pahefana fa tsy salama saina izy ka nasain’izy ireo nojeren’ny mpitsabo saina. Hita anefa hoe salama saina tsara ny Rahalahy Boor. Nilaza ilay dokotera nijery azy hoe “tsy noforomporonin’ny sainy ny zavatra inoany mafy.”

Nilaza ny fitsarana, tamin’ny 2 Aprily 1925, hoe nanao heloka bevava i Martin satria salama saina tsara nefa tsy nety nanao miaramila. Efa nanambady izy tamin’izany. Nampiseho herim-po izy rehefa niatrika an’ilay didim-pitsarana. Meloka higadra roa taona izy, ary hatao mafy ny fiainany any am-ponja, ohatra hoe hatoka-monina izy ary hahena ny sakafony. Tsy ampy roa taona akory anefa ny fotoana nigadrany. Nafahana izy tamin’ny 13 Aogositra 1926 satria hita hoe tsara fitondran-tena.

Nanokatra ny lalana ny didy navoakan’ny CEDH

Nodimandry tamin’ny 7 Janoary 1985 ny Rahalahy Boor. Nangataka ny hanovana ny didim-pitsarana momba azy ny havany, tamin’ny 2004, nefa nolavina ny fangatahan’izy ireo. Nangataka indray izy ireo, fito taona tatỳ aoriana, mba hamerina handinika an’ilay raharaha ny fitsarana iray ao Bratislava. Vao nivoaka mantsy ilay didy manan-tantara tamin’ilay raharaha Bayatyan miady amin’i Armenia tamin’izay. Nilaza ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona (CEDH) hoe miaro ny olona tsy manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany ny Fifanarahana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona. Mampalahelo anefa fa tsy namoaka didy mihitsy ny fitsarana teo an-toerana, na dia efa betsaka aza ny porofo hoe tokony hovana ny didy momba ny fanamelohana an’i Martin. Taorian’ny nandinihana ny raharaha momba ny olona iray hafa tsy nanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany vao tena nisy fiovana.

Nanova zavatra ny raharaha Vajda

Vavolombelon’i Jehovah tsy nety nanao miaramila hoatran’i Martin Boor i Imrich Vajda. Nomelohina izy tamin’ny 1959 sy tamin’ny 1961, nandritra ny fitondrana kominista. Namoaka didy anefa ny Fitsarana Momba ny Lalàm-panorenana any amin’ny Repoblikan’i Slovakia, tamin’ny 13 Martsa 2014, hoe tsy meloka izy araka ny Lalàn’i Tsekoslovakia No. 119/1990 Coll. Navoaka io lalàna io mba hanampiana ny olona nosazina tsy ara-drariny tamin’ny andron’ny Kominista. Tamin’ilay raharaha momba an’i Imrich Vajda vao nilaza ny Fitsarana Momba ny Lalàm-panorenana hoe ahoana no tokony hampiharan’i Slovakia an’ilay didy navoakan’ny CEDH momba ny raharaha Bayatyan. Niaiky io Fitsarana io hoe tokony homena famotsoran-keloka ny olona tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany ka nomelohina ho mpanao heloka bevava.

Afaka nangataka tamin’ilay fitsarana ao Bratislava amin’izay ny havan’ny Rahalahy Martin Boor hoe hafahana madiodio izy, taorian’ilay didim-pitsarana momba an’i Vajda. Neken’ilay fitsarana ilay fangatahana, tamin’ny 18 Septambra 2015. Nafahana madiodio tamin’izay heloka bevava nolazaina fa nataony àry i Martin Boor, 90 taona taorian’ny nanamelohana azy, ary 30 taona taorian’ny nahafatesany.

Nanjaka nandritra ny fotoana ela àry ny tsy rariny nefa nanampy mba hanitsiana an’izany ny didy navoakan’ny CEDH tamin’ny raharaha Bayatyan sy ny didy navoakan’ny Fitsarana Momba ny Lalàm-panorenana tamin’ny raharaha Vajda. Vavolombelon’i Jehovah 51 izao no nafahana madiodio, any Slovakia, ary teo anelanelan’ny 1948 sy 1989 no nomelohina ny ankamaroan’izy ireo.