Hijery ny anatiny

19 MARTSA 2014
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Nodimandry teo Amin’ny Faha-79 Taonany i Guy Pierce, Anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah

Nodimandry teo Amin’ny Faha-79 Taonany i Guy Pierce, Anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah

Nodimandry tamin’ny talata 18 Martsa teo amin’ny faha-79 taonany i Guy Pierce, anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, any amin’ny foiben’izy ireo any Brooklyn, New York.

Nandao an’i Penny vadiny, ireo zanany enina, ireo zafikeliny, ary ireo zafiafiny maromaro Atoa Pierce. Tena mahatsiaro azy koa ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany, izay noraisiny ho toy ny fianakaviany.

Hoy ireo namany anisan’ny Filan-kevi-pitantanana: “Be herim-po sy nanam-pinoana izy teto an-tany, ary hampahery anay foana ny fitadidiana an’izany.”

Filazam-baovao:

Iraisam-pirenena: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

 

Hamaky ny Tohiny