Hijery ny anatiny

20 MARTSA 2014
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Nodimandry i Guy Pierce, Anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah

Nodimandry i Guy Pierce, Anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah

NEW YORK—Anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny foiben’izy ireo, any Brooklyn, New York, i Guy Pierce. Nodimandry tamin’ny talata 18 Martsa teo amin’ny faha-79 taonany izy.

Anisan’ny komity samihafa miandraikitra ny fampianarana Baiboly maneran-tany ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah izy. Tsy maintsy mandeha lava àry izy, ary nanararaotra nampahery ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny tany maro. Be atao izy nefa nalaza ho vonon-kihaino foana rehefa nisy nila fanampiana na torohevitra. Nitsikitsiky sy tia vazivazy koa izy ka nahazo aina ny olona rehefa niresaka taminy. Voamarik’ireo nifanerasera akaiky taminy fa tonga dia tsy nihafahafa taminy ny karazan’olona rehetra. Nilaza an’ity fanamarihana ity Atoa Pierce, tamin’ny lahateny iray nataony tamin’ny fizarana diplaoma ho an’ny mpitory manontolo andro: “Aoka ianareo ho hentitra amin’ny toro lalana marina, nefa koa hahay handanjalanja. Aza manambany ny olona any amin’ny toerana anendrena anareo satria hoe hafa ny kolontsainy.” Izy mihitsy no nanome ohatra ny amin’izany.

Teraka tany Auburn, Kalifornia, tamin’ny 6 Novambra 1934 i Guy Hollis Pierce. Natao batisa izy tamin’ny 14 Aogositra 1955 teo amin’ny faha-20 taonany, ka lasa Vavolombelon’i Jehovah. Nanambady an’i Penelope Wong (antsoina hoe Penny) izy tamin’ny 30 Mey 1977, ary nanan-janaka izy ireo. Lasa mpampianatra Baiboly manontolo andro (antsoin’ny Vavolombelon’i Jehovah hoe mpisava lalana maharitra) izy mivady. Lasa mpitsidika fiangonana Atoa Pierce, tatỳ aoriana, ka nitsidika an’ireo fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah nanerana an’i Etazonia mba hampahery ny mpampianatra Baiboly manontolo andro hafa sy ny olona teo anivon’ny fiangonana. Nasaina hiasa manontolo andro any amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Etazonia izy mivady, tamin’ny 1997. Nampandrenesina tamin’ny 2 Oktobra 1999 hoe lasa anisan’ny Filan-kevi-pitantanana Atoa Pierce.

Atoa Pierce no mpanolotra fandaharana tamin’ny fivoriana fanao isan-taona faha-129 nataon’ny fikambanana Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania, tamin’ny 5 sy 6 Oktobra 2013. Olona 1413676 tany amin’ny firenena 31 no nanatrika azy io mivantana na tamin’ny video nampitaina tamin’ny alalan’ny Internet. Nilaza ny tranonkala ofisialin’ny Vavolombelon’i Jehovah fa io no fivoriana be mpanatrika indrindra nataon’izy ireo hatramin’izay.

Nandao an’i Penny vadiny, ireo zanany enina, ireo zafikeliny, ary ireo zafiafiny maromaro Atoa Pierce. Tena hahatsiaro azy koa ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany, izay noraisiny ho toy ny fianakaviany.

Nilaza ireo namany anisan’ny Filan-kevi-pitantanana fa ‘nanana finoana matanjaka izy sady nanaraka foana ny lalàn’i Jehovah sy ny toro lalany.’ Hoy izy ireo: “Be herim-po sy nanam-pinoana izy teto an-tany, ary hampahery anay foana ny fitadidiana an’izany.”

Filazam-baovao:

Iraisam-pirenena: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000