Hijery ny anatiny

28 MARTSA 2018
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Miray Saina ny Vavolombelon’i Jehovah Eran-tany ka Samy Nandefa Taratasy Tany Rosia

Miray Saina ny Vavolombelon’i Jehovah Eran-tany ka Samy Nandefa Taratasy Tany Rosia

Nasain’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah hanoratra taratasy any amin’ny manam-pahefana ambony any Rosia ny rahalahy sy anabavy eran-tany, tamin’ny talata 21 Martsa 2017. Norahonan’izy ireo mantsy hoe horarana ny asantsika manerana ny Federasionan’i Rosia. Tsy fantatsika hoe firy marina ny taratasy tena tonga tany amin’ireo manam-pahefana rosianina ireo. Maro tamin’ny taratasy nalefa tany anefa no novalian’izy ireo. Marina fa tsy neken’ireo manam-pahefana ireo ny fiangaviana amim-panajana nataontsika, ary nanampatra ny fahefany izy ireo ka manakantsakana ny fanompoan’ny rahalahintsika. Nisongadina tamin’iny fiaraha-mientana iny anefa hoe miray saina ny fandaminan’i Jehovah eran-tany. Hitan’ny mpiara-manompo amintsika any Rosia koa hoe vonona hanohana azy ireo ny rahalahy rehetra.—1 Petera 2:17.

Ankizivavy any Bolivia manoratra taratasy.

Nanao ezaka be ny Vavolombelona maro mba handefasana an’ilay taratasy. Lafo be, ohatra, ny mandefa taratasy any Rosia, any amin’ny tany sasany. Niantoka an’ireo tsy dia manam-bola àry ny Vavolombelona sasany manana kokoa. Ny hafa indray nandefa ny taratasiny tany amin’ny namany any amin’ny firenena hafa satria mora kokoa ny mandefa an’ilay izy raha avy any amin’ilay namany. Betsaka koa ny fianakaviana sy fiangonana miaraka manoratra taratasy. Alefan’izy ireo miaraka ny taratasiny avy eo, ka tsy lafo be ny mandefa azy. Fahatsiarovana tsara ho azy ireo koa ilay izy satria lasa nifankatia kokoa izy ireo sady lasa akaiky kokoa an’i Jehovah.

Na ny mpiasan’ny paositra sasany aza nanohana ny Vavolombelon’i Jehovah. Izao, ohatra, no nolazain’ny mpitantana orinasa iray fandefasana entana any Barranquilla, any Kolombia: “Miaiky anareo aho! Mifanohana amin’ny zavatra tsara ianareo maneran-tany, hoatran’izao ataonareo amin’ny namanareo any Rosia izao. Azoko an-tsaina hoe tsy eto Barranquilla ihany no misy an’izao fa any amin’ny tanàn-dehibe hafa maneran-tany koa. Tena zava-dehibe izao ataonareo izao, ary hisy vokany maneran-tany mihitsy. Enga anie ka ho tsapan’ny olona hoe zava-dehibe izao!” Namorona toerana iray ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah koa ny reseveran’ny paositra iray any Anseong, any Korea Atsimo, mba handefasan’izy ireo taratasy. Nanome valopy fandefasana taratasy any an-tany hafa koa izy ary nomeny maimaim-poana izany.

Mifanao fotoana ny mpiara-mivory any Guinée mba hiaraka hanoratra taratasy.

Hoy i Yaroslav Sivulskiy, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah: “Henon’ny mpiara-manompo any Rosia hoe asain’ny Filan-kevi-pitantanana manoratra taratasy daholo ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany mba hanohanana azy ireo. Fantatr’izy ireo àry hoe na inona na inona didy havoakan’ny fitsarana, dia tsy miady irery izy ireo.”

Hoy i Mark Sanderson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana: “Nasehon’iny fiarahantsika mientana nanoratra taratasy iny hoe miray saina isika vahoakan’i Jehovah. Tena mila miray saina isika raha te ho tafavoaka velona, amin’izao farany efa mihakaiky izao. Ho hitantsika eo ihany izay hataon’i Jehovah amin’ny mpiara-manompo amintsika any Rosia. Manao an’izay azontsika atao ihany anefa isika mba hanampiana azy ireo. Miray saina koa isika ka samy hitalaho amin’i Jehovah sady matoky hoe hokarakarainy amin’ny lafiny rehetra izy ireo.”—Salamo 65:2.

 

Aotrisy

Bolivia

Bosnia-Herzegovina

Danemark

Ekoatera

Alemaina

Ghana

Goatemalà

Indonezia

Japon

Népal

Romania

Rwanda

Slovakia

Espaina

Sri Lanka

Soisa

Tanzania

Zambia