Hijery ny anatiny

20 MARTSA 2015
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Roapolo Tapitrisa no Antenain’ny Vavolombelona Hanatrika An’ilay Fivoriana Fanaony Isan-taona

Roapolo Tapitrisa no Antenain’ny Vavolombelona Hanatrika An’ilay Fivoriana Fanaony Isan-taona

NEW YORK—Hankalaza ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy ny Vavolombelon’i Jehovah ny zoma 3 Aprily 2015, aorian’ny filentehan’ny masoandro. Io no fotoan-dehibe miavaka indrindra amin’izy ireo ao anatin’ny taona. Hisy lahateny hoe “Ankasitraho Izay Nataon’i Kristy ho Anao!”, amin’io fotoana io, ary haharitra 45 minitra ilay izy. Hanao ezaka manokana eran-tany ny Vavolombelona, amin’ireo herinandro alohan’io fankalazana manokana io, mba hanasana ny mpiray tanàna sy namana ary havana.

Hoy i J. Brown, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny foibe any Brooklyn, any Etazonia: “Valo tapitrisa teo ho eo ny Vavolombelon’i Jehovah nanasa olona hanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy, tamin’ny herintaona. Efa ho 20 tapitrisa àry no nanatrika azy io. Manantena izahay fa hihoatra an’izany amin’ity taona ity.”

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Maneran-tany: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000