Hijery ny anatiny

13 MARTSA 2014
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Namoaka Baiboly Lehibe Amin’ilay Baiboly Nohavaozina ny Vavolombelon’i Jehovah

Namoaka Baiboly Lehibe Amin’ilay Baiboly Nohavaozina ny Vavolombelon’i Jehovah

NEW YORK—Mbola mitohy ny ezaka ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah mba ho betsaka araka izay azo atao ny olona mahazo Baiboly. Namoaka Baiboly lehibe amin’ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina àry izy ireo. Any Etazonia sy Japon no anaovana pirinty azy io, ary 424 000 no kasaina hatao pirinty voalohany.

Tamin’ny fivoriana manokana iray natao tamin’ny 5 sy 6 Oktobra 2013, izay narahin’ny firenena 31, no navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina, amin’ny habeny mahazatra. Io no fandikan-teny mazava indrindra hatramin’ny nanavaozana azy tamin’ny 1984. Napetraka tao amin’ny programa manokana iray antsoina hoe JW Library io fandikan-teny io ny 7 Oktobra 2013, ary efa ho in-1 400 000 io Baiboly io no nisy naka avy tao. Misy amin’ny endrika elektronika hafa koa io Baiboly nohavaozina io ato amin’ny www.pr418.com.

Efa ho 60 000 ny fanondroana andininy hafa ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina, na amin’ny endriny inona izany na amin’ny endriny inona. Manampy ny mpamaky hahazo kokoa ny zava-mitranga tantaraina ao amin’ny Baiboly izy ireny. Miloko koa ny kisary, ny sarintanin’ireo tanàna tantaraina ao amin’ny Baiboly, ary ny tabilao ahalalana amin’ny an-tsipiriany ny fomba fiainan’ny olona fahiny. Misy fanazavana fanampiny mamelabelatra foto-kevitra isan-karazany koa ao, ohatra hoe ny fomba nandikana, nanoratana, ary niarovana ny Baiboly.

Niverina im-7000 teo ho eo ny anaran’Andriamanitra tao amin’ilay Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao tamin’ny 1984. Hita ao amin’ilay Baiboly nohavaozina tamin’ny 2013 anefa ny vokatry ny fikarohana momba ny toerana nisehoan’ny anaran’Andriamanitra ao amin’ireo Baiboly sora-tanana tranainy be. Nodinihina indray ireo Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty sy ireo sora-tanana fahiny hafa, ka naverina teo amin’ny andininy enina fanampiny ny anaran’Andriamanitra. Ireto avy izany: Mpitsara 19:18; 1 Samoela 2:25; 6:3; 10:26; 23:14, 16. Misy fanazavana fanampiny hafa koa mamelabelatra ny fomba nampiasana ny anaran’Andriamanitra tamin’ny teny hebreo sy grika fahiny. Asehony ao koa ny anaran’Andriamanitra amin’ny fandikan-teny samihafa amin’ny fiteny maoderina maro.

Efa hatramin’ny ela ny Vavolombelon’i Jehovah no nanao pirinty sy nizara ary nandika ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Tena nohajain’ny manam-pahaizana izy io satria marina tsara. Tamin’ny 1961 no navoaka voalohany tamin’ny teny anglisy io Baiboly io manontolo. Nilaza ny New York Times, tamin’ny 1963, hoe havoaka amin’ny fiteny enina fanampiny ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, araka ny fampandrenesana tamin’ny fivoriambe nataon’ny Vavolombelona tao amin’ny Yankee Stadium. Nanomboka tamin’izay dia nadika ho amin’ny fiteny samihafa io fandikan-teny io ka efa misy amin’ny fiteny 120 mahery izao. Taona vitsivitsy lasa izay, dia nanapa-kevitra ny Komitin’ny Fandikana ny Baibolin’ny Tontolo Vaovao fa hohavaozina ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Mivoatra mantsy ny fiteny sady mila atao mazava kokoa ny teny sasany ao amin’ny Baiboly, mba ho mora vakina sy ho mora azo. Hita ao amin’ilay Baiboly nohavaozina daholo izany.

Hoy i J. R. Brown, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny Foibe: “Nampientanentana ny nahazo an’ireo Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao voalohany, 50 taona mahery lasa izay, ary mbola mampientanentana lavitra noho izany ny mahazo an’ilay Baiboly nohavaozina farany. Ny tanjonay dia ny mba hahatonga ny Soratra Masina ho azon’ny olon-drehetra, amin’ny fiteny marina tsara sy mihaja ary araka ny toetrandro.”

Filazam-baovao:

Iraisam-pirenena: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000