Hijery ny anatiny

20 MARTSA 2014
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Manao Ezaka Manokana Eran-tany ny Vavolombelon’i Jehovah Noho ny Fahatsiarovana ny Nahafatesan’i Kristy

Manao Ezaka Manokana Eran-tany ny Vavolombelon’i Jehovah Noho ny Fahatsiarovana ny Nahafatesan’i Kristy

NEW YORK—Hisy ezaka manokana hataon’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany, amin’ny asabotsy 22 Martsa 2014. Hanasa ny olona hanatrika fotoana iray tena zava-dehibe aminy izy ireo. Tsy inona izany fa ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy. Nisy 19 241 252 no nanatrika an’io fotoana manokana io, tamin’ny herintaona. Manantena ny Vavolombelon’i Jehovah fa hitombo be noho ny hatramin’izay ny isan’ny olona hanatrika ny Fahatsiarovana amin’ity taona ity. Hatao ny alatsinainy 14 Aprily aorian’ny filentehan’ny masoandro izy io.

Hoy i J. R. Brown mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny foibe, any New York: “Mino izahay fa ho faly sy handray soa ireo hanatrika ny Fahatsiarovana miaraka aminay. Mandrisika anay izany mba hanasa olona faran’izay betsaka hiara-hanatrika an’io fotoan-dehibe io aminay.”

Filazam-baovao:

Iraisam-pirenena: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000