Hijery ny anatiny

VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Gadraina Noho ny Finoany: Crimée

Gadraina Noho ny Finoany: Crimée

Tonga hatrany Crimée izao ny fanenjehana feno herisetra ataon’ny manam-pahefana rosianina amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Efa nandrara ny fikambanana ara-dalàna nampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fanjakana rosianina, nefa hita mihitsy hoe ny hamongotra tanteraka ny fivavahan’izy ireo no tanjony. Be dia be mihitsy ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah nanaovan’ny manam-pahefana bemidina manerana an’i Rosia, taorian’ilay fandrarana tamin’ny Aprily 2017. Vavolombelona be dia be no nosamborina sy nogadraina, vokatr’izany. Izany koa izao no atao amin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Crimée.

Tamin’ny 15 Novambra 2018 no nisy bemidina faobe voalohany tany Crimée. Polisy sy polisy manokana 200 teo ho eo no nanao bemidina tany amin’ny trano valo ipetrahan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Djankoy. Samy nisy Vavolombelon’i Jehovah vitsivitsy nivory tao amin’ireo trano ireo, mba hamaky sy hidinika ny Baiboly. Mpitandro filaminana 35, fara fahakeliny, no niditra an-keriny tao an-tranon’i Sergey Filatov. Nitam-piadiana sy nisaron-tava ry zareo. Vavolombelona enina no nivory tao, tamin’izay, ary nivarahontsana izy ireo rehefa niditra an-keriny ireo mpitandro filaminana ireo. Natosik’izy ireo teo amin’ny rindrina ny lehilahy iray 78 taona, nazerany tamin’ny tany, nofatorany ny tanany, ary nokapohin’izy ireo mafy loatra izy ka tsy maintsy nampidirina hopitaly teo no ho eo. Nisy lehilahy be taona roa hafa koa tonga dia nampidirina hopitaly satria niakatra be ny tosidran’izy ireo. Mampalahelo fa nisy vehivavy iray koa afa-jaza rehefa nanao bemidina tao an-tranony ny manam-pahefana.

Nampangaina ho mpanao heloka bevava Atoa Filatov taorian’izay, ary nolazaina fa nandika ny Andininy faha-282.2(1) amin’ny Lalàna Momba ny Heloka Bevava any Rosia satria hoe mikarakara ny asan’ny “fikambanana mampidi-doza.” Nanameloka an’Atoa Filatov higadra enin-taona ny fitsaram-paritra ao Crimée, tamin’ny 5 Martsa 2020. Nentina tany am-ponja avy hatrany izy taorian’ny nanamelohana azy.

Mbola manohy miditra an-keriny any an-tranon’ireo Vavolombelona ahiahina hoe manao zavatra mampidi-doza foana ny polisy, taorian’ilay bemidina tany Djankoy tamin’ny 2018. Tamin’ny 22 Mey 2023 ny bemidina farany nataon-dry zareo. Nisy polisy folo mahery niditra tao amin’ny trano iray tany Feodosia, tamin’ny 6:30 maraina. Nirongo fiadiana ny dimy tamin’ireo. Nasain’izy ireo nidaboka tamin’ny tany ireo Vavolombelona nandritra ny adiny telo mahery nisavany an’ilay trano. Nosamborin’izy ireo avy eo ny iray tamin’ireo lehilahy Vavolombelona, ary nentiny tany Sébastopol mba hatao famotorana.

Vokatr’ireny bemidina ireny sy ny fanamelohana taorian’izay, dia lehilahy Vavolombelona sivy izao no voasazy higadra hatramin’ny enin-taona sy tapany. Samy nampangaina ho nanohana fikambanana mampidi-doza ry zareo.

Zava-nitranga

  1. 18 Jolay 2024

    Vavolombelon’i Jehovah sivy izao no migadra any Crimée.

  2. 22 Mey 2023

    Nanao bemidina tany amin’ny tranona Vavolombelona tany Feodosia ny polisy. Nogiazan’izy ireo ny fitaovana elektronika ary nosamboriny ny iray tamin’ireo Vavolombelona.

  3. 5 Aogositra 2021

    Trano valo an’ny Vavolombelon’i Jehovah no natao savahao. Nosamborina i Aleksandr Dubovenko sy Aleksandr Litvinyuk.

  4. 1 Oktobra 2020

    Trano sivy no nanaovana bemidina tany Sébastopol. Nosamborina sy notanana am-ponja vonjimaika i Igor Shmidt.

  5. 4 Jona 2019

    Nanaovan’ny polisy manokana bemidina ny trano folo any Sébastopol. Nampangaina hoe mikarakara ny asan’ny fikambanana mampidi-doza Atoa Stashevskiy taorian’izay.

  6. 20 Martsa 2019

    Nanao bemidina tany amin’ny trano valo any Alupka sy Yalta ny polisy manokana. Nalaina am-bavany Atoa Gerasimov ary avy eo nampangaina hoe mandamina ny asan’ny fikambanana mampidi-doza.

  7. 15 Novambra 2018

    Polisy sy polisy manokana 200 mahery no nanao bemidina tao amin’ny trano valo any Djankoy, ipetrahan’ny Vavolombelon’i Jehovah, anisan’izany ny tranon’Atoa Filatov.