Hijery ny anatiny

27 MEY 2016
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Mandrisika ny Vavolombelon’i Jehovah tsy Hivadika Ireo Fivoriamben’ny Vondrom-paritra 2016

Mandrisika ny Vavolombelon’i Jehovah tsy Hivadika Ireo Fivoriamben’ny Vondrom-paritra 2016

NEW YORK—Manomboka ny zoma 20 Mey ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra 2016 “Aza Mivadika Amin’i Jehovah Mihitsy!” ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Manasa ny olona hanatrika azy io izy ireo. Atao any Etazonia sy any amin’ny toerana maro maneran-tany io fivoriambe io, ary tsy misy vidim-pidirana.

Samy hanazava momba ny tsy fivadihana ireo lahateny 49 atao mandritra an’io fivoriambe telo andro io. Nanomana video 35 halefa mandritra an’ilay fivoriambe ny Vavolombelon’i Jehovah. Hisy filma roa koa halefa ny asabotsy sy ny alahady. Hatomboka amin’ny mozika fanokafana ny fandaharana maraina sy tolakandro, isan’andro.

Toy ny efa fanaony hatramin’izay, dia hizara fanasana manokana ny Vavolombelona mba hanasana ny olona hanatrika an’ilay fivoriambe. Hita ao amin’ny tranonkala ofisialin’ny Vavolombelon’i Jehovah (jw.org), ny toerana sy daty hanaovana ny fivoriambe tsirairay. Afaka miantso ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah akaiky azy ny mpanao gazety mila fanazavana fanampiny, ohatra hoe ny anaran’ny olona azony antsoina raha tiany ny hamoaka lahatsoratra momba ilay fivoriambe.

Hoy i David Semonian, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny foibe any Brooklyn, any New York: “Mino izahay fa raha samy tsy mivadika ny olona, dia hifandray tsara izy ireo. Hanampy ny tsirairay hanamafy ny fifandraisany amin’ny namany, mpianakaviny, ary indrindra amin’Andriamanitra, ny zavatra horesahina mandritra ny fivoriamben’ny vondrom-paritra amin’ity taona ity. Matoky izahay fa ho faly izay rehetra hanatrika an’io fivoriambe io.”

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

David A. Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000