Hijery ny anatiny

30 MARTSA 2017
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Mikarakara Fotoan-dehibe Maromaro Azon’ny Rehetra Atrehina ny Vavolombelon’i Jehovah Amin’ity 2017 Ity

Mikarakara Fotoan-dehibe Maromaro Azon’ny Rehetra Atrehina ny Vavolombelon’i Jehovah Amin’ity 2017 Ity

NEW YORK—Asain’ny Vavolombelon’i Jehovah ny olon-drehetra mba hanatrika ny fotoan-dehibe hokarakarainy amin’ity taona ity.

Hankalaza ny Sakafo Harivan’ny Tompo na koa hoe ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany, amin’ny talata 11 Aprily 2017. Horaisin’izy ireo an-tanan-droa izay rehetra tonga hanatrika azy io. Tamin’ny asabotsy 18 Martsa 2017 izy ireo no nanomboka nanao ezaka manokana hanasana olona faran’izay betsaka, mba hanatrika an’ilay fotoan-dehibe. Hifarana amin’ny 11 Aprily 2017 izany. Hita ao amin’ilay fanasana zarain’izy ireo hoe aiza ny toerana hanaovana an’ilay izy eo an-toerana. Io no fotoan-dehibe miavaka indrindra ao anatin’ny taona amin’ny Vavolombelona.

Mbola hisy lahateny ara-baiboly hatao ny 15 na ny 16 Aprily 2017, any amin’ny ankamaroan’ny efitrano fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany. Maharitra 30 minitra ilay lahateny ary izao no lohateniny: “Miezaha Hitandro Fihavanana na dia Mora Tezitra aza ny Olona.” Ny olon-drehetra no asain’ny Vavolombelona hanatrika azy io.

Manao fivoriamben’ny vondrom-paritra maharitra telo andro ny Vavolombelon’i Jehovah isan-taona. Hanomboka ny 19 Mey 2017 izy io amin’ity taona ity, ary mitondra ny foto-kevitra hoe: “Aza Kivy!” Any Etazonia no hanomboka ilay fivoriambe, ary avy eo hatao any amin’ny toerana maro maneran-tany hatreo am-piandohan’ny 2018. Hanasa ny olona hanatrika an’ilay fandaharana ny Vavolombelona, roatokombolana alohan’ny fivoriambe tsirairay.

Tsy misy vidim-pidirana daholo ireo fotoan-dehibe ireo sy ny fivoriana rehetra ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Asaina ny fampitam-baovao mba hifandray amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo an-toerana, satria hanampy azy ireo hanao tatitra momba an’ilay fotoan-dehibe izany.

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

David Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, +1-845-524-3000