Hijery ny anatiny

9 OKTOBRA 2014
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Miady Amin’ny Ebola ny Vavolombelon’i Jehovah

Miady Amin’ny Ebola ny Vavolombelon’i Jehovah

NEW YORK—Mbola miezaka foana mampianatra ny mpivavaka ao aminy momba ny valan’aretina Ebola ny Vavolombelon’i Jehovah any Afrika Andrefana. Miparitaka be any mantsy izao io aretina mahafaty io.

Rehefa fantatra hoe nisy mararin’ny Ebola tany Guinée ary niely haingana tany Liberia sy Sierra Leone ilay izy, dia nandefa taratasy avy hatrany tany amin’ny fiangonana rehetra any amin’ireo toerana telo ireo ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any. Nisy toromarika sy soso-kevitra avy amin’ny fitondram-panjakana eo an-toerana tao amin’ilay taratasy. Nohazavaina tao hoe nahoana no tena mampidi-doza ny Ebola, ahoana no ifindrany, ary ahoana no isorohana an’ilay izy tsy hihanaka be. Hoy i Collin Attick, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Sierra Leone: “Tsy tena takatry ny olona maro atỳ izany resaka aretina izany, ka tsy hitan’izy ireo tamin’ny voalohany hoe inona no hatao. Be dia be rahateo ny tsaho momba ny Ebola. Vao nahare an’ilay toromarika tany amin’ny Efitrano Fanjakana anefa ny mpiara-mivavaka aminay, dia nankatò avy hatrany.”

Nisy solontenan’ny Vavolombelon’i Jehovah nalefa nitety ny fiangonana any Sierra Leone sy Guinée, nanomboka tamin’ny Jolay, ka roa andro no itsidihana ny fiangonana tsirairay. Misy lahateny hoe “Mamonjy Aina ny Fankatoavana”, mandritra an’ilay fitsidihana. Atao izy io mba hanazavana bebe kokoa hoe ahoana no hiarovan-tena amin’ilay aretina. Resahina amin’ilay izy koa hoe tena ilaina foana ny mankatò ny toromarika farany. Mbola hitohy hatramin’ny Novambra 2014 io fandaharana io. Nasian’ny Vavolombelon’i Jehovah toerana fanasan-tanana misy rano mifangaro ranon-javely koa eo amin’ny fidirana amin’ny trano fivavahan’izy ireo (antsoina hoe Efitrano Fanjakana) manerana an’i Guinée sy Liberia ary Sierra Leone. Manao toy izany koa ny ankamaroan’ny Vavolombelona any ka manisy toerana fanasan-tanana any an-tranony.

Tsy nahazo nivoaka ny faritra nisy azy ny mponina tao Dolo, any atsinanan’i Monrovia, any Liberia. Nankatò an’izany ity fianakaviana Vavolombelona ity. Tamin’ny 8 Septambra 2014 ny mponina tao vao nahazo nivoaka an’io faritra io.

Nilaza ny tatitra nataon’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana tamin’ny 1 Oktobra 2014 fa 7178 no voan’ny Ebola tany Afrika Andrefana, ary 3300 mahery no maty. Mbola atahorana hitombo anefa io isa io. Tamin’ny 2 Oktobra kosa dia fantatra fa Vavolombelon’i Jehovah 1 amin’ireo 2800 any Guinée sy Sierra Leone no maty. Vehivavy mpitsabo mpanampy izy io ary maty tamin’ny 25 Septambra 2014. Nisy 10 no maty tamin’ireo Vavolombelona 6365 any Liberia ka mpiasan’ny fahasalamana ny 6. Mbola tsy misy Vavolombelona voan’ny Ebola kosa any Nizeria na dia efa miparitaka any aza io aretina io, vao haingana. Tsy misy misionera Vavolombelona voa koa any amin’ireo firenena ireo. Nandeha nanao vakansy na namonjy fivoriambe tany Eoropa sy Etazonia mantsy ny maro tamin’izy ireo rehefa niparitaka ilay valan’aretina. Vao haingana ny sasany no niverina avy tany ary miezaka manaraka ny toromarika avy any amin’ny biraon’ny sampana. Mbola tsy tafaverina kosa ny ambiny noho ny fiaramanidina tsy mahazo mankany na noho ny antony hafa.

Toerana fanasan-tanana ao amin’ny Efitrano Fanjakana, any Sierra Leone.

Manampy an’ireo Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny firenena tena voa mafy any Afrika Andrefana ny komitin’ny vonjy rano vaky. Vavolombelona daholo no ao amin’io komity io. Ampian’izy ireo ny Vavolombelona any mba hikarakara an’izay ilain’ny fianakaviany sy izay ilain’ny mpiara-mivavaka aminy. Hoy i Thomas Nyain, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Liberia: “Mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly momba ny fahadiovana sy ny fanokanan-toerana ny marary izahay, dia hitanay hoe mahasoa anay ilay izy. Tsy manao fombafomba tsy araka ny Baiboly koa izahay rehefa mandevina satria Vavolombelon’i Jehovah. Miaro anay izany, indrindra amin’izao fotoan-tsarotra izao.”

Nohazavaina tamin’ny radio tany Sierra Leone ny fomba anampian’ny Vavolombelon’i Jehovah ny mpivavaka ao aminy sy ireo tsy Vavolombelona mba hiadiana amin’ny Ebola. Niangavian’ny manam-pahefana any koa ny komitin’ny vonjy rano vakin’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanampy an’ireo fikambanana miankina amin’ny fanjakana.

Hoy i J. Brown, mpitondra teny iraisam-pirenena, any amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any New York: “Mampahery anay ny mahita hoe mitandrina tsara ny mpiara-mivavaka aminay any Afrika Andrefana, sady mbola miezaka araka izay vitany izy ireo mba hanao ny fanompoana an’Andriamanitra sy hampianatra Baiboly. Tsy manadino an’ireo rahalahinay sy anabavinay ara-panahy ary ny olon-kafa mizaka ny voka-dratsin’ny aretina Ebola izahay, ary mivavaka ho azy ireo.”

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Maneran-tany: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Guinée: Thierry Pourthié, tel. +224 631 40 96 50

Liberia: Thomas Nyain, tel. +231 886 513 414

Nizeria: Paul Andrew, tel. +234 7080 662 020

Sierra Leone: Collin Attick, tel. +232 77 850 790