Hijery ny anatiny

Ny ao ambany rihana amin’ilay fampirantiana “Wedontdothat”, ao amin’ny Foiben’ny Fampianarana Momba ny Asa Fanasoavana

28 APRILY 2022
ISRAELY

Fampirantiana vao Nisokatra any Israely Mampiseho ny Fanenjehan’ny Nazia ny Vavolombelon’i Jehovah

Fampirantiana vao Nisokatra any Israely Mampiseho ny Fanenjehan’ny Nazia ny Vavolombelon’i Jehovah

Nisokatra tamin’ny 7 Martsa 2022 ny fampirantiana iray any Israely, izay manasongadina fa tena be herim-po ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa nenjehin’ny Nazia. Ao amin’ny Foiben’ny Fampianarana Momba ny Asa Fanasoavana, any amin’ny Tranombakoka Ghetto Fighters’ House, any Galilia Andrefana, no ahitana an’ilay fampirantiana. Amin’ny teny arabo sy anglisy ary hebreo ny soratra sy ny fanazavana ao amin’ilay izy. Hisokatra foana izy io hatramin’ny volana Martsa 2023. Niara-niasa tamin’ny rahalahy sy anabavy 50 avy amin’ny firenena samihafa ny mpiasa ao amin’ilay toerana, rehefa nanomana an’ilay fampirantiana. Nanampy tamin’ny fanaovana sary sy ny fandikan-teny ary ny fikarohana mifandray amin’ny tantara ireo rahalahy sy anabavy ireo.

“Wedontdothat” no lohatenin’ilay fampirantiana. Ny dikan’izany dia hoe “tsy manao an’izany izahay.” Io no niantsoan’ny miaramila alemà ny Rahalahy Joachim Alfermann, Vavolombelon’i Jehovah nogadrain’ny Nazia. a Tsy nanaiky hanao miaramila mihitsy mantsy izy na dia norahonan’ny Nazia sy nodarohan’izy ireo ary nalefany tany amin’ny toby fitanana aza. Izao foana no navaliny an-dry zareo: “Tsy manao an’izany izahay.” Hoy i Yaara Galor, mpiandraikitra an’ilay fampirantiana: “Fantatsika fa ankoatra ny Jiosy, dia nisy olon-kafa an-tapitrisany [novonoin’ny Nazia] noho ny antony samihafa. ... Samy manana ny tantara mampiavaka azy ireny antokon’olona ireny.”

Fidirana amin’ny Foiben’ny Fampianarana Momba ny Asa Fanasoavana

Nanatrika ny fanokafana an’ilay fampirantiana i Gideon Greif, manam-pahaizana momba ny Famonoana Tambabe sy ny tantaran’ny toby fitanana tany Auschwitz. Nilaza izy hoe tsy nanaiky mihitsy ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa nasaina nanao sonia taratasy milaza hoe miala amin’ny finoany. Hoy koa izy: “Zavatra tsotra kely fotsiny no nila nataon’ny [Vavolombelon’i Jehovah] raha te ho afaka izy. Iray minitra mantsy dia vita ilay sonia. Hita amin’izany fa na dia ao anatin’ny fotoana sarotra indrindra eo amin’ny tantaran’ny olombelona aza, dia misy olona mahavita miezaka mba hanana fitondran-tena faran’izay tsara ary mampiseho an’izany amin’ny teniny sy ny ataony. Tena mendrika ny hotsarovana àry ny Vavolombelon’i Jehovah, ary tena tokony horesahina sy hianarana ny momba azy ireo sady tokony hampianarina ny besinimaro.”

Nanatrika ny fanokafana an’ilay fampirantiana koa ny anabavy iray manompo ao amin’ny sampana any Israely. Izao no nolazainy: “Nanganohano ny masoko rehefa nieritreritra aho hoe eto Israely no misy fampirantiana hoatr’izany sady amin’izay azon’ny besinimaro jerena ... Nampihetsi-po be ny naheno ny mpiasa tao amin’ilay tranombakoka nanonona hoe ‘Vavolombelon’i Jehovah’ tamin’ny teny hebreo, rehefa teny ambony lampihazo. Tsy hohadinoiko mihitsy izany! Matoky aho fa nahazo voninahitra i Jehovah tamin’iny fotoan-dehibe iny.”

Rahalahy David Simozrag avy ao amin’ny sampan’i Israely, manao lahateny mandritra ny fanokafana an’ilay fampirantiana

Manantena isika fa ho hitan’izay mijery an’io fampirantiana io hoe tena be herim-po sy nanam-pinoana ny rahalahy sy anabavintsika tany Alemaina nandritra ny fitondran’ny Nazia. Azo inoana koa hoe handrisika ny mpanompon’i Jehovah amin’izao mba ‘hanohy an’ilay hazakazaka ka haharitra amin’izany’ ny modely navelan-dry zareo.​—Hebreo 12:1.