Hijery ny anatiny

23 OKTOBRA 2023
ISRAELY

Mitohy ny Ady any Israely sy Gaza

Mitohy ny Ady any Israely sy Gaza

Mbola mitohy hatramin’izao ny ady sy herisetra mahatsiravina any Israely sy Gaza, izay nanomboka tamin’ny 7 Oktobra 2023. Olona ana hetsiny no voatery nitsoaka. Araka ny tatitra voaray, dia olona 4 200 no maty hatreto.

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

  • Tsy nisy maty na naratra ny rahalahy sy anabavintsika

  • Mpitory 93 no voatery nafindra toerana

  • Trano 3 no misy simba kely

  • Tsy misy Efitrano Fanjakana simba

Fanampiana tra-boina

  • Manome an’izay fanampiana ilain’ireo miaritra ny vokatr’ilay ady ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy eo an-toerana sady mampahery azy ireo amin’ny alalan’ny Baiboly

  • Misy Komitin’ny Vonjy Rano Vaky anankiray notendrena hiandraikitra ny fanampiana tra-boina

Rahalahy iray sy ny vadiny, miaraka amin’ny anabavy roa hafa. Mipetraka ao amin’ny toerana tsy mampidi-doza ry zareo, dia mamaky ny Tenin’Andriamanitra mba hahazoany fampaherezana

Miezaka be ireo rahalahy sy anabavy any mba hanohy ny fanompoany an’i Jehovah. Mivory foana, ohatra, ry zareo amin’ny alalan’ny vidéoconférence. Izao no nolazain’ny mpiandraikitra ny faritra anankiray: “Tsy mora ilay hoe tsy fantatra izay havoaky ny ampitso. Mampahery anefa ny mahita hoe matanjaka tsara ny finoan’ireo rahalahy sy anabavy malalantsika sady mifankatia be ry zareo dia mahafoy tena ho an’ny hafa.”

Efa tsy andrintsika ny hahita ny fahatanterahan’ilay fampanantenana ao amin’ny Baiboly hoe tsy ho ela dia ‘tsy hisy ady intsony eran-tany.’​—Salamo 46:9.