Hijery ny anatiny

31 MEY 2019
ISRAELY

Fampirantiana Maro Kokoa ho An’ny Mpizaha Tany An’arivony any Tel Aviv

Fampirantiana Maro Kokoa ho An’ny Mpizaha Tany An’arivony any Tel Aviv

Nanao ezaka manokana hampitomboana ny fampirantiana ataony any Tel Aviv ny Vavolombelon’i Jehovah any Israely, tamin’ny 10-19 Mey. Nisy hetsika ara-kolontsaina maromaro mantsy tany tamin’io, ka be dia be ny mpizaha tany tonga. Natao tany Tel Aviv tamin’ny 14-18 Mey, ohatra, ilay fifaninanan-kira atao hoe Eurovision Song Contest ary iray alina teo ho eo ny mpizaha tany nanatrika an’ilay izy.

Hoy ny Rahalahy Gennadi Korobov, anisan’ny nikarakara an’ilay ezaka manokana: “Raha vao fantatray hoe hisy an’arivony ny mpizaha tany ho avy eto Tel Aviv mba hanatrika an’ilay fifaninanan-kira, dia hitanay hoe tsara raha ampitomboina ny fitoriana amin’ny toerana be olona. Faly be izahay fa mpitory 168 avy amin’ny fiangonana 22 manerana an’i Israely no vonona handray anjara amin’ilay izy.”

Toerana valo no nanaovana fampirantiana, manomboka amin’ny sivy ora maraina ka hatramin’ny sivy ora alina. Avy any amin’ny firenena samihafa ireo mpizaha tany ka nasiana boky amin’ireto fiteny folo ireto teo amin’ireo fampirantiana: Alemà, anglisy, arabo, espaniola, frantsay, hebreo, italianina, japoney, rosianina, ary sinoa.

Matoky isika hoe hisy vokany tsara iny ezaka manokana tany Israely iny. Porofo fanampiny izy iny hoe midera an’i Jehovah “mandrakariva” ny vahoakany.—Salamo 34:1, 2.