Hijery ny anatiny

ISRAELY

Fotoana Niavaka tany Israely

Fotoana Niavaka tany Israely

Fotoana Niavaka Tany Israely

1 MEY 2015: Narovan’ny Fitsarana Avo any Israely ny zon’ny Vavolombelon’i Jehovah hanao fivoriambe an-kalalahana tao amin’ny tanànan’i Ra’anana

HIJERY MISIMISY KOKOA

5 FEBROARY 2007: Nanambara ny fitsarana fa nohavakavahin’ny mpitantana Foibe Fanaovana Kaonferansa ao Haïfa ny Vavolombelona, satria tsy navelany hanofa an’io toerana io. Nanohana an’izany voalazan’ny fitsarana izany koa ny tonian’ny fampanoavana

Taloha kelin’ny taona 2000: Vao mainka nanao herisetra tamin’ny Vavolombelona sy nanenjika azy ireo ny mpivavaka jiosy

7 SEPTAMBRA 1992: Navelan’ny Vaomieran’ny Fitsaran’ny Distrika hampiasa ny Efitrano Fanjakana any Tel Aviv indray ny Vavolombelona, rehefa avy nanao fanambarana ny tonian’ny fampanoavana

15 NOVAMBRA 1963: Nosoratan’ny fitondrana ho ara-panjakana ny Watch Tower Bible & Tract Society

1 JANOARY 1963: Nanorina biraon’ny sampana tany Haïfa ny Vavolombelona. Nafindra tany Tel Aviv ilay izy tatỳ aoriana

1920: Naorin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fiangonany voalohany sy ny birao miandraikitra ny asany, tamin’ny fotoana nitondran’ny anglisy ny tany manodidina an’i Israely