Hijery ny anatiny

26 MEY 2020
ITALIA

Fanadinadinana Dokotera Miasa any Amin’ny Hopitaly Iray any Italia

Fanadinadinana Dokotera Miasa any Amin’ny Hopitaly Iray any Italia

Rahalahy Gullà sy ny vady aman-janany

Dokotera ao amin’ny fitsaboana vonjy aina ao amin’ny hopitaly any Erba, any akaikin’i Côme, any Italia, ny Rahalahy Giandomenico Gullà. Be dia be ny zava-tsarotra atrehiny vokatry ny valanaretina COVID-19. Noho ny zavatra inoany anefa, dia milamin-tsaina foana izy ka afaka mampahery ny hafa. (2 Korintianina 1:4) Ahitana an’izany ny zavatra notantarainy vao haingana, rehefa nanadinadina azy ny Biraon’ny Filazam-baovao any amin’ny sampan’i Italia.

Ampahan’ny fanadinadinana ny Rahalahy Gullà no hita ato. Namboarina kely ilay izy mba hazava tsara.

Inona avy ny zavatra hitanao hatramin’izay nisian’ity valanaretina ity?

Giandomenico Gullà: Tampoka be daholo ny fiovana tao amin’ny hopitaly, hoatran’ireny rehefa misy tsunami ireny. Namboarina ny fomba fiasa tao amin’ilay hopitaly iray manontolo, satria tsy maintsy nasiana sampan-draharaha maromaro natokana ho an’izay olona voan’ny COVID-19. Tena mampalahelo ny zava-misy! Atokan-toerana mantsy izay olona marary, dia tsy mahazo mankao aminy mihitsy na ny fianakaviany na ny namany. Izaho no mitelefaonina ny fianakavian’ilay marary sy milaza an’izay vaovao farany amin-dry zareo. Indray alina izay izao nisy vehivavy efa tsy nahatsiaro tena intsony fa efa ho fatin’ilay aretina, dia tsy maintsy nampandre ny zanany lahy aho. Nataoko antso video ilay izy, dia mba afaka nahita farany an’ilay mamany izy. Nampalahelo be tamin’izay!

Mampahery anao ve ny zavatra nianaranao tao amin’ny Baiboly?

Giandomenico Gullà: Kivy sy miady saina be ny mpiara-miasa amiko sasany. Izaho indray anefa milamin-tsaina foana satria mianatra Baiboly. Hitako hoe be dia be ny zavatra efa nataon’i Jehovah mba hanampiana antsika ho vonona hiatrika zava-tsarotra be hoatran’izao. Resy lahatra koa aho hoe tanteraka foana ny faminanian’ny Baiboly, ary porofo vaovao manamarina an’izany ity valanaretina ity. Tsy kivy mihitsy aho rehefa mieritreritra an’izany, fa vao mainka aza lasa matanjaka be ny finoako.

Manampy anao hampahery ny hafa koa ve ny fampaherezan’i Jehovah anao?

Giandomenico Gullà: Tsapako hoe tena manohana ahy ny fanahin’i Jehovah, na any an-trano izany na any am-piasana. Manampy ahy koa izy io mba hampahery an’izay mpiara-manompo mila vonjy noho ity valanaretina ity.

Azonao hazavaina ve hoe ahoana no anampian’i Jehovah anao mba hampahery ny fianakavianao?

Giandomenico Gullà: Marina hoe lasa nitombo ny fotoana tsy maintsy iasako. Miezaka mafy anefa aho mba hanompo an’i Jehovah miaraka amin’ny fianakaviako foana. Tena manatanjaka ny vadiko izany sady manampy anay mianakavy kely mba hiray saina kokoa. Afaka mampahery tsara an’ilay zanakay vavikely koa aho, rehefa manao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana izahay. Ginevra no anarany, dia telo taona latsaka kely izy. Fantany hoe misy zavatra hafahafa mitranga. Indraindray aza izy miteny hoe: ‘Aza mandeha miasa any i Dada fa misy coronavirus ange e!’, na hoe: ‘Dia ahoana raha tsy mody eo intsony i Dada?’ Hay kay izy matahotra! Rehefa matahotra hoatr’izany izy, dia alefanay ny hira ao amin’ny Tele JW. Vetivety eo izy dia mitsikitsiky indray!

Efa nisy fotoana ve ianao afaka nampahery ny mpiara-miasa aminao?

Giandomenico Gullà: Misy mpiara-miasa amiko izay nanomboka nianatra Baiboly vao haingana. Tany amin’ilay hopitaly niasako taloha izahay no nifankahalala, efa taona vitsivitsy lasa izay. Tamin’izany izahay no nanomboka niresaka momba ny Baiboly. Nanomboka nianatra Baiboly izy taloha kelin’ny nisian’ity valanaretina ity, dia nanapa-kevitra hoe hanohy. Amin’ny vidéoconférence izao izahay no mianatra, ary indraindray indroa isan-kerinandro mihitsy. Nisy zavatra noteneniny izay tena nanohina ny foko! Hoy izy: “Lasa tsara kokoa ny fiainako rehefa nianatra Baiboly aho. Tsy dia manahy be intsony aho izao. Be dia be koa ny fanontaniako lasa voavaly. Fantatro, ohatra, izao hoe inona no antony namoronana antsika sy hoe fa maninona no misy ny valanaretina hoatr’izao. Lasa manam-pinoana aho, dia milamina ny fiainako sady manantena hoavy tsara be aho.”

Ranabavy Daniela Sgreva. Voan’ny COVID-19 izy, dia nampian’ny Rahalahy Gullà. Efa sitrana izy izao

Afaka nampahery ny rahalahy sy anabavy koa ve ianao?

Giandomenico Gullà: Nampalahelo fa nisy anabavy voan’ny coronavirus tao amin’ny fiangonanay, dia tsy maintsy nampidirina hopitaly. Daniela Sgreva no anarany. Niresaka tamina rahalahy roa manana fiara mpitondra marary aho, dia niangavy an-dry zareo mba hanatitra an’ilay anabavy tany amin’ilay hopitaly iasako. Nandeha 50 kilaometatra mahery ry zareo rehefa naka an’ilay anabavy. Nampahery be azy ny nahita azy roa lahy! Tena mafy ny nahazo azy, ka maivamaivana erỳ izy rehefa nahita anay tao amin’ny efitra fikarakarana vonjy aina. Izahay telo lahy moa samy miasa amin’ny resaka fitsaboana, dia faly be ilay anabavy hoe mpiara-manompo daholo no nikarakara azy teo sady amin’izay afaka nanakaiky azy. Vao mainka koa nampahery azy ny nahita hoe tena tia azy ny mpiara-manompo sady nanampy azy. Faly loatra izy ka niteny hoe: “Fantatro hoe azon’i Jehovah tsara izay manjo antsika, fa tamin’ity indray mandeha ity izy tena nanao zavatra mihoatra lavitra noho izay noeritreretiko mihitsy!”

Lasa vao mainka miantehitra amin’i Jehovah aho izao isan’andro mba hahazo hery. Rehefa handeha hiasa sy avy miasa aho, dia mandefa hira ao amin’ny Tele JW foana ao anaty aotomobilina. Izay no manome hery ahy hiatrehako ny andro. Tena misaotra an’i Jehovah aho noho ny fanampiana rehetra omeny. Rehefa mihaino an’ilay hira hoe Eo Akaikiko Foana i Jehovah iny aho, dia averimberiko ilay hoe: “Raha anatin’ny mangidy, andry azo iankinana izy, hanohana ahy ka ’zaho tsy ho kivy. Jehovah eo akaiky eo foana.”