23 OKTOBRA 2019
ITALIA
Fanorenana Betela Vaovao any Italia
Afindra tsikelikely any Bologne sy Imola izao ny sampan’i Italia any Roma. Any amin’ny 370 kilaometatra eo ho eo any avaratr’i Roma no misy an’i Bologne ary 48 kilaometatra eo ho eo miala an’i Bologne kosa no misy an’i Imola. Efa natomboka ny fanavaozana an’ilay tranobe misy rihana valo ao Bologne, izay hatao birao hampiasain’ny sampana. Efa miasa ao amin’ilay tranobe nohavaozina any Imola ny Betelita 60 mahery, nanomboka tamin’ny 2018. Miasa ao amin’ny fandikan-teny sy ao amin’ny sampan’asa hafa izy ireo.
Efa manomboka koa izao ny fanorenana ny tranobe iray misy rihana enina sy parking any ambanin’ny tany. Natao hipetrahan’ireo Betelita hifindra ao Bologne io tranobe io. Any amin’ny 1 kilaometatra sy sasany eo ho eo miala an’ilay birao no misy an’io tranobe io. Hasiana trano fonenana fanampiny koa tsy lavitra eo.
Tamin’ny 1948 no nividy ny tranon’ny sampana voalohany tany Roma ny Vavolombelon’i Jehovah, ary nafindra tao ny asa natao tao amin’ilay trano tany Milan. Nitombo be ny isan’ny mpitory tany Italia nanomboka teo. Tsy ampy 200 ny mpitory tany talohan’ny 1950 nefa efa maherin’ny 250000 izy ireo izao. Any no be mpitory indrindra manerana an’i Eoropa. Rehefa nitombo ny mpitory tany Italia dia nitombo koa ny Betelita sy ny trano ampiasain’ny sampana. Nampiasa trano 99 ny biraon’ny sampan’i Italia tamin’ny 2006 ary tamin’izay no betsaka indrindra ny trano nampiasain’ny sampana. Rehefa tafafindra any Bologne ny Betela, dia hihena ny isan’ny Betelita ary trano dimy ihany no hampiasaina.
Mivavaka isika mba hotahin’i Jehovah foana io tetikasa io. Enga anie ka hanohana ny fitoriana any Italia ireo trano vaovao ireo satria efa “masaka hojinjaina” ny saha any!—Jaona 4:35.