Hijery ny anatiny

Fitsarana Ambony any Roma

7 FEBROARY 2020
ITALIA

Fitsarana Ambony any Roma: Zon’ny Ray Aman-dreny ny Mifidy hoe Tsy Hampidiran-dra ny Zanany

Fitsarana Ambony any Roma: Zon’ny Ray Aman-dreny ny Mifidy hoe Tsy Hampidiran-dra ny Zanany

Novan’ny Fitsarana Ambony any Roma, tamin’ny 17 Desambra 2019, ny didim-pitsarana iray navoakan’ny fitsarana ny zaza tsy ampy taona. Namoaka didy mantsy io fitsarana io hoe tsy manan-jo hitaiza ny zanany intsony ny vehivavy iray Vavolombelon’i Jehovah satria tsy navelany hampidiran-dra ny zanany. Namoaka didy anefa ny Fitsarana Ambony hoe manan-jo hitaiza ny zanany io anabavy io ary nafahany madiodio izy. Tena zava-dehibe iny didim-pitsarana iny satria ho azo antoka hoe mbola hanan-jo hitaiza ny zanany ihany ny ray na reny Vavolombelon’i Jehovah raha tsy avelany hampidiran-dra ny zanany.

Tratran’ny lozam-piarakodia io anabavy io sy ny zanany lahy folo taona. Naratra ilay zaza ary nampidirina hopitaly. Nilaza ny dokotera, telo andro taorian’izay, hoe tokony hodidina izy. Nanome alalana azy ireo handidy ny zanany sy hanao an’izay fitsaboana hafa ilaina ilay anabavy. Nohazavainy anefa hoe tsy tiany hampidiran-dra ilay zaza. Nanoratra tany amin’ny mpampanoa lalàna àry ny dokotera na dia tsy nisy natahorana akory aza ny fahasalaman’ilay zaza. Nosoratan’izy ireo tao hoe tsy miraharaha ny zanany ilay reny, noho ny fivavahany. Nangataka àry izy ireo mba homena alalana hampiditra ra amin’ilay zaza, raha ilaina izany. Nampangain’ilay mpampanoa lalana hoe tsy miraharaha izay hahasoa an-janany ilay reny, ary nangatahiny ny fitsarana ny zaza tsy ampy taona mba hesorina amin’ilay reny ny zony amin’ny maha mpitaiza azy. Neken’ilay fitsarana ny fangatahany na dia tsy manana fahefana amin’izany aza io fitsarana io, eo anatrehan’ny lalàna. Nampakarin’ilay anabavy any amin’ny Fitsarana Ambony ilay raharaha.

Hitan’ny Fitsarana Ambony hoe tena tia sy mahakarakara ny zanany ilay anabavy. Nilaza ilay Fitsarana hoe “tsy rariny raha lazaina fa tsy manan-jo hikarakara an-janany io vehivavy io satria fotsiny hoe tsy avelany hampidiran-dra ny zanany, noho ny zavatra inoany.” Mbola manan-jo hitaiza ny zanany àry izy, hoy io Fitsarana io, ary tsy mifanaraka amin’ny lalàna ny nanesorana taminy an’izany zony izany.

Hoy i Nicola Colaianni, anisan’ny Fitsarana Tampony teo aloha sady mpampianatra lalàna momba ny fivavahana ao amin’ny Oniversiten’i Bari: “Miombon-kevitra amin’ilay didy navoakan’ny Fitsarana Ambony aho. Tsy azoko hoe maninona ny fitsarana ny zaza tsy ampy taona no nandray an’iny fanapahan-kevitra iny. Hita mihitsy hoe sarotra ho an’ny ankamaroan’ny olona ny mahazo fahalalahana ara-pivavahana, fa vao mainka sarotra kokoa izany ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah.”

Nilaza ny Rahalahy Christian Di Blasio, ao amin’ny Biraon’ny Filazam-baovao any Italia, hoe: “Misaotra ny Fitsarana Ambony any Roma izahay satria novany ny didy niorina tamin’ny fanavakavahana ara-pivavahana. Tena miahy ny zanany ny Vavolombelon’i Jehovah. Ankasitrahan’izy ireo koa ny dokotera be dia be mitsabo tsara azy ireo sady manaja ny feon’ny fieritreretany.”

Nohamafisin’iny didim-pitsarana iny fa manan-jo hanapa-kevitra momba ny fitsaboana atao amin’ny zanany ny rahalahy sy anabavy. Misaotra an’i Jehovah Andriamanitsika isika noho iny fandresena teny amin’ny fitsarana iny. Hanampy ny rahalahy sy anabavy mikarakara fahasalamana iny didy iny mba handray fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny Baiboly sady tsy enjehin’ny eritreriny.—Salamo 37:28.