16 NOVAMBRA 2020
ITALIA
Mandeha Tsara ny Fanorenana An’ilay Biraon’ny Sampana Vaovao any Italia na dia Misy aza ny Olana
Mandeha tsara ny famindrana ny biraon’ny sampan’i Italia any Bologne na dia eo aza ny olana ara-toe-karena sy ara-pahasalamana. Andro niavaka ny 5 Septambra 2020, satria tamin’izay no vita ny trano fonenana voalohany. Noeritreretina hoe ho vita amin’ny faran’ny 2023 ilay biraon’ny sampana vaovao.
Ny Komitin’ny Tetikasa Fanorenana (CPC) no manara-maso ny asa mifandray amin’ilay sampana vaovao, ary misy rahalahy dimy amin’izy io. Nisy orinasa iray nokaramaina mba hanao ny mari-trano sy hanorina an’io trano fonenana io. Tamin’ny Septambra 2018 izy ireo no nanomboka nanao an’ilay asa.
Nitotongana be ny toe-karena tany tamin’ny 2019, dia nisy vokany tamin’ny orinasa maromaro ilay izy. Tsy maintsy niato tamin’ny asany àry aloha ilay orinasa nokaramaina hanao an’ilay asa. Soa ihany anefa fa efa tafatsangana ilay trano fonenana, dia tsy voatery niato ela be ilay asa.
Tratran’ny valanaretina COVID-19 ny faritra avaratr’i Italia, teo am-piandohan’ny 2020, anisan’izany ny tany Bologne. Be dia be ny asa nasain’ny fanjakana natsahatra tao amin’ilay tanàna, anisan’izany ny asa fanorenana. Nohalefahin’ny fanjakana anefa ny fepetra sasany, iray volana tatỳ aoriana, dia afaka nitohy indray ilay asa, saingy tsy maintsy nanaraka an’ireo fepetra ara-pahasalamana sy ny tari-dalan’ny fandaminana mba hiarovana amin’ny COVID-19.
Hoy ny Rahalahy Paolo Comparato, anisan’ny CPC: “Misaotra an’i Jehovah izahay fa vita soa aman-tsara ilay trano. Raha tsy teo mantsy ny fanahiny, dia tsy ho voavahanay mihitsy ny olana rehetra nisy tamin’ireny.”
Hoy Rtoa Cristina Dallacasa, lehiben’ilay orinasa nanao an’ilay fanorenana: “Faly izahay hoe nofidin’ny Vavolombelon’i Jehovah hanao an’ilay trano tena miavaka hampiasain-dry zareo any Italia. Niara-niasa tsara izahay, dia izany no nahavitanay namaha ny olana rehetra tamin’ilay fanorenana. Tena mitandrina be mihitsy ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny tetikasa ataon-dry zareo, anisan’izany ny fiarovana ny mpiasa tsy ho tratran’ny loza, mandritra ny fanorenana.” Hoy ihany izy: “Fa ny tena mahafaly an’ahy dia hoe lasa nahafantatra olona vitsivitsy manao ny marina sy tena azo itokisana aho. Tena mahafinaritra ny hoatr’izany amin’izao fotoana feno korontana sy olana ara-toe-karena izao.”
Matoky isika fa mbola hanohana an’io tetikasa io foana i Jehovah, amin’izay mahazo voninahitra ny anarany.—Salamo 127:1.