Hijery ny anatiny

(Havia) Fianakaviana mampiseho soratra sy andinin-teny mampahery ho an’ny iray fiangonana aminy. (Ambony havanana) Anabavy mpisava lalana mampianatra Baiboly amin’ny alalan’ny vidéoconférence. (Ambany havanana) Fianakaviana manatrika fivoriana amin’ny alalan’ny vidéoconférence

9 APRILY 2020
ITALIA

Matanjaka Ara-panahy Foana ny Rahalahy sy Anabavy any Italia na eo aza ny Valanaretina

Matanjaka Ara-panahy Foana ny Rahalahy sy Anabavy any Italia na eo aza ny Valanaretina

Tany Italia no anisan’ny nahitana olona voan’ny COVID-19 be indrindra. Nahazo toromarika avy amin’ny Filan-kevi-pitantanana ny sampan’i Italia ka mikarakara an’izay ilain’ny rahalahy sy anabavy any, sady mampahery azy ireo amin’ny alalan’ny Baiboly foana.

Misy Komitin’ny Vonjy Rano Vaky (KVRV) telo mikarakara izay ilain’ireo rahalahy sy anabavy any amin’ny faritra avaratra sy atsimo ary afovoan’i Italia. Ampahafantarin’ny anti-panahy ny mpiandraikitra ny faritra foana ny zavatra ilain’ny mpitory ao amin’ny fiangonany. Ny mpiandraikitra ny faritra indray avy eo no mampita an’izany any amin’ny KVRV. Fantatry ny KVRV foana àry izay ilain’ny mpitory.

Ankoatra izany, dia manampy ny mpitory hivory sy hitory foana ny anti-panahy. Hoy ny Rahalahy Villiam Boselli, mpiandraikitra ny faritra any akaikin’i Milan, anisan’ireo tanàna voalohany nitrangan’ilay valanaretina: “Na dia samy mijanona any an-tranony aza ny rahalahy sy anabavy, dia mbola miezaka mifandray foana. Mbola afaka mifampahery sy mandray anjara amin’ny fivoriana koa izy ireo, satria manatrika fivoriana amin’ny alalan’ny vidéoconférence. Na ny rahalahy sy anabavy be taona aza mandray soa amin’ireny fivoriana ireny koa. Hitako hoe mifandray kokoa noho ny hatramin’izay ny fiangonana amin’izao!”

Betsaka koa ny olona tsy Vavolombelona lasa miara-mivory amin’ny fianakaviany. Hoy ny anabavy iray: “Tsy te hanatrika fivoriana mihitsy ny vadiko hatramin’izay, fa amin’izao anefa ao an-trano mihitsy ny fivoriana no atao. ... Tiany be ilay izy!”

Manararaotra mitory foana koa ny mpitory any Italia. Handeha hanatitra seza misy kodiarana any amin’ny anabavy be taona iray, ohatra, ny anabavy iray ary nitondra ny fiarany. Nosakanan’ny polisy telo izy teny an-dalana. Nasehon’ilay anabavy ny fahazoan-dalany hivezivezy ary nohazavainy fa hanampy be taona izy. Samy nomeny an’ilay taratasy mivalona hoe Hanao Ahoana ny Fiainana Amin’ny Hoavy? sy ilay hoe Tsy Hijaly Intsony ve Isika Indray Andro Any? izy telo lahy. Rehefa avy nanatitra an’ilay seza misy kodiarana ilay anabavy dia nosakanan’ireo polisy indray. Nisaotra azy izy ireo ary nametraka fanontaniana momba ny fampanantenan’ny Baiboly. Niantso polisy roa hafa koa aza izy ireo mba handray anjara amin’ilay resaka. Faly erỳ ilay anabavy nampiseho azy ireo ny jw.org! Nisaotra azy ny iray tamin’izy ireo sady nilaza fa tena nahafaly azy ireo ny nataon’ilay anabavy.

Hoy ny Rahalahy Boselli: “Anisan’ny andraikitro ny mampahery olona, nefa izaho no tena nahazo fampaherezana rehefa nahita ny mpiara-manompo amiko miezaka ho akaiky an’i Jehovah sy manompo azy foana. Tena tia an’i Jehovah amin’ny fony ry zareo dia manohina ny foko izany. Fanomezana avy amin’i Jehovah ry zareo. Tsy haiko hoe ho nanao ahoana aho raha tsy teo ry zareo!”

Hita mihitsy hoe akaiky an’i Jehovah foana ny rahalahy sy anabavintsika na mihamafy aza ny fiainana, ary ‘tsy voahozongozon’izao fahoriana izao’ mihitsy izy ireo.—1 Tesalonianina 3:2, 3.