Hijery ny anatiny

Ny Lapan’ny Fitsarana any Roma, izay misy ny Fitsarana Tampony Italianina

1 OKTOBRA 2019
ITALIA

Milaza ny Fitsarana Tampony Italianina fa Samy Manan-jo Hampianatra ny Zanany Momba ny Fivavahana ny Mpivady Nisaraka

Milaza ny Fitsarana Tampony Italianina fa Samy Manan-jo Hampianatra ny Zanany Momba ny Fivavahana ny Mpivady Nisaraka

Namoaka didim-pitsarana miavaka mifandray amin’ny zo hikarakara zanaka sy ny zon’ny ray aman-dreny ny Fitsarana Tampony any Roma, tamin’ny 30 Aogositra 2019. Narovan’io didim-pitsarana io ny zon’ny reny iray Vavolombelon’i Jehovah hampianatra ny zavatra inoany amin’ny zanany tsy ampy taona.

Tsy Vavolombelon’i Jehovah ny rain’ilay ankizilahy ary efa nisaraka tamin’ny vadiny. Nanizingizina izy hoe ny fivavahany ihany no tokony hampianarina ny zanany. Nanome rariny an’io raim-pianakaviana io ny fitsarana roa ambany kokoa, ary nilaza fa mety “hikorontan-tsaina” ilay zaza raha mbola ampianarina fivavahana hafa. Lasa sarotra tamin’ilay reny àry ny nampianatra ny zanany momba ny fivavahany, na dia manan-jo hanao an’izany aza izy. Nofoanan’ny Fitsarana Tampony ny fanapahan-kevitr’ireo fitsarana ireo. Nohamafisiny hoe samy afaka mampianatra ny zanany momba ny fivavahany ny ray sy ny reny. Nasongadin’io Fitsarana io koa hoe mitovy ny hajan’ny fivavahana rehetra eo anatrehan’ny lalàna. Tsy mety àry ny nataon’ireo fitsarana ambany kokoa rehefa nanavakavaka ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ireo. Voalaza tao amin’io didim-pitsarana io koa hoe rehefa tsy mifanaraka ny ray aman-dreny, mahakasika ny fampianarana ny zanany momba ny fivavahana, dia tsy manan-jo hanapa-kevitra ny mpitsara hoe iza no fivavahana tsara kokoa.

Manantena isika hoe hisy vokany amin’ny raharaha hafa momba ny zo hikarakara zanaka any Italia iny didim-pitsaran’ny Fitsarana Tampony iny. Azo antoka hoe handray soa amin’iny ny ray aman-dreny miezaka mafy mitaiza ny zanany araka ny “fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah.”—Efesianina 6:4.