Hijery ny anatiny

6 DESAMBRA 2013
ITALIA

Nandravarava An’i Sardaigne, any Italia, ny Rivo-doza Cleopatra

Nandravarava An’i Sardaigne, any Italia, ny Rivo-doza Cleopatra

Nandravarava an’ilay nosy atao hoe Sardaigne any amin’ny Ranomasina Mediterane ny Rivo-doza Cleopatra, tamin’ny 18 Novambra 2013. Nahery vaika be izy io ka olona 16, fara fahakeliny, no maty ary an-jatony no lasa tsy manan-kialofana. Niteraka tondra-drano koa ny orana nivatravatra tamin’ilay izy, ka tetezana maro no nianjera ary betsaka ny fiara nofaohiny. Nilaza ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Italia fa anisan’ireo maty ny vehivavy 83 taona, izay Vavolombelon’i Jehovah. Nisy fianakaviana efatra namoy ny fananany satria simban’ny tondra-drano ny tranony. Fianakaviana 11 hafa no voatery niala tamin’ny tranony. Efa miara-miasa amin’ny manam-pahefana any an-toerana izao ny Vavolombelon’i Jehovah 120 mahery. Nankany amin’ilay toerana nisy tondra-drano izy ireo ka nitondra sakafo, ary nanampy an’ireo Vavolombelona sy ny olon-kafa amin’ny fanadiovana.

Filazam-baovao:

Iraisam-pirenena: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Italia: Stefano Papazian, tel. +39 06 87294260