Hijery ny anatiny

Ny Lapan’ny Fitsarana any Roma, izay misy ny Fitsarana Tampony any Italia

9 FEBROARY 2021
ITALIA

Nanohana ny Vavolombelon’i Jehovah ny Didy Navoakan’ny Fitsarana Tampony any Italia Momba ny Fitsaboana

Nanohana ny Vavolombelon’i Jehovah ny Didy Navoakan’ny Fitsarana Tampony any Italia Momba ny Fitsaboana

Nanohana ny Vavolombelon’i Jehovah ny Fitsarana Tampony any Italia, ka namoaka didy hoe manana zo hifidy an’izay fitsaboana tiany harahina izy ireo. Nohamafisin’ny Fitsarana Tampony ny didy navoakan’ny fitsarana teo aloha, tamin’ny 23 Desambra 2020, ka nolazainy hoe manan-jo hifidy an’izay fitsaboana tiany ny marary rehetra. Afaka mifidy, ohatra, izy hoe inona ny fitsaboana mandaitra nefa tsy mifanohitra amin’ny feon’ny fieritreretany sy ny fivavahany.

Nanomboka tamin’ny 2005 mantsy io raharaha io. Nanohitra ny zon’ny anabavy iray ny dokotera maromaro tamin’izay. Efa nohazavain’ilay anabavy tsara, talohan’ny nandidiana azy, fa tsy manaiky ampidiran-dra izy. Nataony am-bava izany sady nosoratany tao amin’ny karatra fitakiana ara-pitsaboana. Tsy noraharahian’ny dokotera anefa ny teniny, fa mbola nampidiran-dry zareo ra ihany izy sady imbetsaka.

Neken’ilay Fitsarana fa “tsy hoe izy manokana fotsiny no tsy te hampidiran-dra hitsaboana azy, fa ny feon’ny fieritreretany miorina amin’ny fivavahany mihitsy no mahatonga azy tsy manaiky an’izany.” Nohazavainy fa tena “zo tsy azo lavina mihitsy izany, ka tena arovan’ny Lalàm-panorenana ‘tanteraka.’”

Io no fandresena fahafolo azontsika teo anatrehan’ny Fitsarana Tampony any Italia, mahakasika ny Vavolombelon’i Jehovah, hatramin’ny 2015. Nohamafisin’ny Fitsarana foana tamin’ny tsirairay tamin’ireo raharaha ireo fa afaka mifidy an’izay fivavahana sy finoana tiantsika harahina isika. Ireto avy no noresahina tamin’ireo raharaha ireo:

  • Tsy manaiky hampidiran-dra: Ny fitsaboana tsara indrindra no tadiavin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary manaiky karazana fitsaboana be dia be izy ireo. Nohamafisin’ireo fitsarana ireo fa mahazo mifidy an’izay fitsaboana tiany harahina mifanaraka amin’ny feon’ny fieritreretany sy ny zavatra nianarany tao amin’ny Baiboly ny marary Vavolombelon’i Jehovah rehetra. Tsy maintsy hajain’ny dokotera ny safidin’ny marary raha tsy manaiky hampidiran-dra izy. Manan-jo hanaraka an’izay lazain’ny fivavahany mantsy izy, araka ny lalàna.

  • Zo hikarakara zanaka: Manan-jo hampianatra ny zanany momba ny fivavahany ny ray aman-dreny Vavolombelon’i Jehovah, mitovy amin’ny ray aman-dreny tsy Vavolombelon’i Jehovah ihany.

  • Fandroahana: Tsy manao ny tsy rariny amin’ny olona voaroaka ny Vavolombelon’i Jehovah. Afaka tsy mifanerasera amin’ny olona voaroaka tsy ho anisan’ny fiangonany anefa ny Vavolombelon’i Jehovah, satria zony amin’ny resaka fivavahana izany, ary tsy maintsy hajaina.

  • Hetra: Mandoa hetra ny Vavolombelon’i Jehovah ary manan-jo mitovy amin’ny mpivavaka any amin’ny fivavahana hafa rehetra ry zareo raha amin’ny resaka hetra tsy maintsy aloa na tsy voatery aloa.

Faly isika rehefa mba mamoaka didim-pitsarana miaro ny zon’ny vahoakan’i Jehovah ny manam-pahefana, ka lasa afaka manaraka ny fivavahantsika amin-kalalahana isika.​—Ohabolana 21:1.