Hijery ny anatiny

Parking feno rano any amin’ny faritr’i Émilie-Romagne, any Italia. Sary kely: Rahalahy iray manala ny fotaka eo amin’ny arabe anankiray simban’ny tondra-drano

24 MEY 2023
ITALIA

Tondra-drano Be Tany Amin’ny Faritra Avaratr’i Italia

Tondra-drano Be Tany Amin’ny Faritra Avaratr’i Italia

Nisy oram-be nahatonga tondra-drano tany Émilie-Romagne, any amin’ny faritra avaratr’i Italia. Niakatra be ny rano nanomboka tamin’ny 15 Mey 2023, ka tsy ampy roa andro akory dia nahatratra 50 santimetatra teo ho eo. Fokontany 40 mahery no tratran’ny tondra-drano. Olona 14, fara fahakeliny, no maty ary an’arivony mahery no tsy maintsy niala tao an-tranony.

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

  • Tsy nisy naratra na maty ny rahalahy sy anabavintsika

  • Nisy 342 ny mpitory sy ny fianakaviany no nafindra toerana

  • Nisy 167 ny trano feno rano, dia ny 72 amin’ireo no simba be

  • Efitrano Fanjakana iray no simba be

  • Efitrano Fanjakana 3 no misy simba kely

Fanampiana tra-boina

  • Tena manampy an’ireo niharan-doza ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy ary mampahery an-dry zareo amin’ny alalan’ny Baiboly

  • Misy Komitin’ny Vonjy Rano Vaky anankiray notendrena mba hiandraikitra ny fanampiana tra-boina

Tsy andrintsika izay hahatongavan’ilay fotoana hoe tsy hisy hatahotra ny hetraketraky ny natiora intsony. Ho “eo amin’ny olombelona” mantsy “ny tranolain’Andriamanitra” amin’izany.​—Apokalypsy 21:3, 4.