Hijery ny anatiny

26 SEPTAMBRA 2019
ITALIA

Fahatsiarovana ny Vavolombelon’i Jehovah Nenjehin’ny Nazia sy ny Fasista

Fahatsiarovana ny Vavolombelon’i Jehovah Nenjehin’ny Nazia sy ny Fasista

Ilay takelaka napetraka tao amin’ny Risiera di San Sabba, any Trieste. Nisy telozoro volomparasy ny akanjo nanaovan’ireo Vavolombelon’i Jehovah nigadra

Notsarovana tamin’ny 10 Mey 2019 ny Vavolombelon’i Jehovah an’arivony izay nenjehin’ny Nazia sy ny Fasista. Naseho vahoaka tamin’io ny takelaka fahatsiarovana iray, ary notronin’ny manam-pahefana, mpahay tantara, mpanao gazety, ary olon-kafa an-jatony. Tao amin’ny Risiera di San Sabba, any Trieste, any avaratratsinanan’i Italia, no natao ilay izy. Toerana fanaovana lafarinina izy io taloha, ary lasa toby fitanana ka io irery no nisy fandoroana faty tao Italia. Mpanao gazety maro avy eo amin’ny manodidina sy manerana an’i Italia no tonga nanatrika an’ilay fotoan-dehibe, anisan’izany ny Canale 5, anisan’ny tele be mpijery indrindra any Italia.

Nanao kabary momba ny tsy fivadihana i Christian Di Blasio, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Italia, ho fanokafana an’ilay fandaharana. Hoy izy: “Ny Vavolombelon’i Jehovah irery no nenjehin’ny fitondrana nazia noho ny fivavahany fotsiny. Izy ireo irery koa no nomena safidy hoe raha mandà ny finoany sy manohana ny fitondrana izy ireo dia tsy henjehina intsony. Be herim-po anefa izy ireo ka tsy nivadika tamin’Andriamanitra mihitsy ary tia olona foana.” Nampiseho video iray avy eo ny Rahalahy Di Blasio. Tantarain’ny Ranabavy Emma Bauer ao amin’ilay video ny zavatra niainany sy ny fianakaviany nandritra ny Ady Lehibe II. Nohazavainy hoe tsy mivadika mihitsy ny tena Kristianina na dia hihatra aman’aina aza izany. Nanao kabary famaranana avy eo i Roberto Dipiazza, ben’ny tanànan’i Trieste. Hoy izy: “Faly be aho hoe nasiana an’ity takelaka ity eto. Tokony hanao an’izay azo atao isika mba tsy hiverenan’ny fanenjehana hoatran’ireny intsony.” Nesorina avy eo ny lamba nanarona an’ilay takelaka.

Manam-pahaizana sy olona fanta-daza maro no niresaka ny maha zava-dehibe an’iny fotoana iny. Izao, ohatra, no nolazain’i Giorgio Bouchard, filoha teo aloha an’ny Federasionan’ny Fiangonana Ara-pilazantsara any Italia: “Tao amin’ny Vavolombelon’i Jehovah irery no nisy olona be dia be maty noho ny finoany. ... Vao mainka nanamafy orina ny mpikambana ao amin’io fivavahana io ny zavatra niainany. Noporofoin’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny olona, ary inoantsika hoe tamin’Andriamanitra koa, fa ny fivavahan’izy ireo irery no nahavita nanohitra ny filozofian’ny Nazia.” (Misy tenin’olon-kafa koa eo amin’ny efajoro etsy ambany.)

Azo inoana hoe olona 120000 eo ho eo no hitsidika ny Risiera di San Sabba, isan-taona, ary hahita an’ilay takelaka fahatsiarovana ny Vavolombelon’i Jehovah an’arivony izay nenjehin’ny Nazia. Nanam-pinoana sy tsy nety nanohana ny fitondrana mihitsy izy ireo na dia nenjehin’ny Nazia sy ny Fasista aza.—Apokalypsy 2:10.