Hijery ny anatiny

21 OKTOBRA 2016
ITALIA

Nampahery ny Mpiray Tanàna Aminy ny Vavolombelon’i Jehovah any Italia Taorian’ilay Horohoron-tany

Nampahery ny Mpiray Tanàna Aminy ny Vavolombelon’i Jehovah any Italia Taorian’ilay Horohoron-tany

ROMA—Nizara an’ilay gazety Ny Tilikambo Fiambenana hoe “Iza no Tena Afaka Mampionona Anao?” ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany, tamin’ny volana Septambra 2016. Nanao ezaka manokana ny Vavolombelona tany amin’ny faritra afovoan’i Italia mba hampiononana ny olona amin’ny alalan’ny Baiboly. Nisy horohoron-tany nirefy 6,2 amin’ny maridrefy Richter mantsy namely an’i Latium sy Les Marches ary Ombrie, tamin’ny 24 Aogositra 2016. Olona 300 latsaka kely no maty, tamin’izay, ary olona 2000 mahery no nafindra toerana.

Hoy i Christian Di Blasio, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Italia: “Natao hampaherezana ny olona any amin’ny tany rehetra ilay ezaka manokana, na inona na inona zavatra iainany. Izahay eto Italia anefa no tena mahita hoe mafy ny mahazo an’ireo tratran’ilay horohoron-tany sy ny olona manampy an-dry zareo.”

Vavolombelon’i Jehovah miresaka amin’olona ao Amatrice, tanàna voa mafy indrindra tamin’ilay horohoron-tany.

Misy 15 ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ilay faritra niharan-doza nefa tsy nisy Vavolombelona maty na naratra mafy. Telo kosa ny tranon’ny Vavolombelon’i Jehovah rava ary ny hafa indray nisy simba. Nilaza Atoa Di Blasio fa nanolo-tena hampionona ny mpiray tanàna aminy ny sasany tamin’ireo Vavolombelona rava trano, ka nizara an’ilay gazety. Nanolo-tena hiresaka amin’ireo niharan-doza koa ny Vavolombelon’i Jehovah efa tratran’ny horohoron-tany talohan’izay. Hoy Atoa Di Blasio: “Nilaza ireo mpiasa an-tsitrapo ireo hoe nampahery sy nampitraka azy ireo ny Baiboly, ka te hiezaka mafy hiresaka an’izany amin’ny olona mijaly eo amin’ny manodidina azy ry zareo mba hampaherezana azy ireo koa.”

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Maneran-tany: David Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, 1-718-560-5000

Italia: Christian Di Blasio, 39-06-872941